Politique

Antenimieram-pirenena Holaniana anio ny fitsipika anatiny


  • Alatsinainy 19 Aogositra 2019

Nanomboka ny alarobia lasa teo ny fivoriana iraisan`ny vaomieran`ny lalàna eny amin`ny antenimieram-pirenena.

 

 

  Nisy ny fivoriana mikaton-trano tsy azon`ny rehetra natrehina nataon`ireo depiote hijerena manokana ireo fanitsiana araka ny lalàna amin`ireo lahadinika izay dinihana amin`ity fivoriana manokana ity. Ny talata no efa nandeha ny fivoriana izay nandinihana ny fitsipika anatiny mifehy ny antenimieram-pirenena. Miandry ny tsirin-kevitra avy amin`ny tsirairay fa mbola ao anatin`ny asam-baomiera. Nisy tamin`ireo depiote no nandroso ny famerana ny isan`ireo solombavambahoaka afaka mandany lalàna iray. Tokony hasiana mpanolotsaina araka ny lalàna miaraka amin`ny solombavambahoaka miaraka amin`izay eritreretina ampidirana ao anatin`izay fitsipika anatiny. Misy ambaratongam-pitsarana aloha eto amintsika ka mbola miandry ny fanapahana avy amin`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) raha hampanankery na tsia ny lalàna mandeha eny amin`ny antenimieram-pirenena. Raha ny fandaharam-potoana notapahin`ny depiote ny talata 13 aogositra lasa teo dia anio no handalo fankatoavana amin`ny alalan`ny tsangan-tanana ataon`ireo depiote ity fitsipika anatiny ity. Fitsipika izay tsy maintsy nirosoana ny fanitsiana azy araka ny nambaran`ny filohany.

Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT