Antenimieram-pirenena

Ho hita eo indray izay hisantatra famitaham-bahoaka!


  • Zoma 28 Jona 2024

Ho hita eo izay tena tsy voavidy vola, hoy ny filohan’ny antoko politika FMI malagasy, Jean Jacques Ratsietison,

nialohan’ny fiatombohan’ny fampielezankevitr’ireo kandida ho solombavambahoaka tamin’ireny fotoana ireny. Efa mamitaka ireo izay nifidy anareo sahady ianareo kandida lany tamin’ny anaran’ny tsy miankina, hoy ny fiarahamonim-pirenena, KMF-KNOE, raha miandany amin’ireo vondrona politika matanjaka toy ny IRMAR sy Firaisankina. Ho hita eo tokoa indray, araka izany, izay hisantatra izay famitaham-bahoaka eny amin’ny antenimieram-pirenena eny, indrindra, ireo izay lany tamin’ny anaran’ny mahaleotena na tsy miankina izay. Heverina fa azo ambara ho isan’izany ihany koa ireo lany tamin’ny anarana fikambanana hafa ankoantran’ireo nosokajiana ho matanjaka. Raha tsiahivina fohy moa dia nahazo depiote miisa 84 izany ny vondrona IRMAR, izay miaraka amin’ny fitondrana, raha ny vokatra ofisialy navoakan’ny HCC omaly. 51 ireo lany tamin’ny anaran’ny tsy miankina. 21 ireo lany tamin’ny anaran’ny vondrona Firaisankina. 4 no avy amin’ny fikambanana FIVOI. 1 ny an’ny Kolekitifa an’ny malagasy. 1 avy amin’ny antoko politika Maitso hasin’i Madagasikara. Hiverina ve ny tantaran’ny malety tamin’ny fotoan’androny? Hiverina matetika ve ny ahiahy mikasikana tolo-dalàna nolaniana mialoha? Ho tena fifidianana vokatry ny fandinihina lalina ireo tolo-dalàna isanisany amin’izay ve manomboka eto no hitranga ao amin’izany lapan’ny Tsimbazaza izany sa fifaninanana mananga-tanana? Solombavambahoaka tena hijery ny tombontsoam-bahoaka marina sa sanatrian’izany tonga amin’ilay ahiahin’ny mpanara-baovao hatramin’izay hoe efa nahazo toromarika avy any ambony tany? Ho hita eo indray, araka izany, izay hivoaka. Ho hita eo indray izay hisantatra famitaham-bahoaka!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT