Politique

Antenimieram-pirenena Hafana indray ny adihevitra manomboka anio


  • Zoma 23 Martsa 2018

Ho vory lanona indray ny antenimieram-pirenena satria hiditra amin`ny fivoriana tsy ara-potoana fahatelo anio zoma 23 martsa araka ny fampiantsoana nataon’ny filan-kevitry ny minisitra omaly; ka handinika ireo volavolan-dalàna fehizoro 3 momba ny fifidianana.

Raha hiverenana ny fivoriana tsy ara-potoana faharoa farany teo dia maika ny handany ireo volavolan-dalàna ery ny depiote HVM, tamin`ny fotoana farany anefa dia nangataka fanemorana fifidianana indray. Inona tokoa ny zava-nitranga ? Nisy ny adihevitra ny talata lasa teo ka tapaka fa hahemotra ny amin`ny fe-potoana manaraka ny fandinihana ny lalàna mifehy ny fifidianana. Samy nanisa ny mpiara-dia aminy ireo solombavambahoaka ka lany tamin'ny isa 70 tamin'ny 68 fa hahemotra amin'ny fotoana manaraka ny fandinihana ilay lalàna raha tokony ho ny ampitso no tapitra ny fe-potoana. Rehefa nahatsapa ny governemanta fa tsy hahazo maro an’isa dia natarazoka ny fivoriana ary nangataka ny hanemorana ny fandaniana ireto volavolan-dalàna roa mikasika ny fifidianana ireto.Mety ho fambara ratsy ho an`ny HVM izany. Efa fandresena ho an`ny mpanohitra mantsy ny nahatarika solombavambahoaka 68 hitovy fijery aminy. Marihina fa tsy maintsy 76 ny isa tratrarina vao lany io lalàna io; 70 anefa no vato azon’ny solombavambahoaka HVM ny farany teo ka moa ve efa nandamin-dresaka tamin`ny ekipany sy ny solombavambahoaka hafa ny  HVM mba hahazoany ny vato maro an’isa ? Ny azo antoka dia mbola tena hafana ny adihevitra eny Tsimbazaza manomboka an’io satria samy mijoro amin’ny heviny ny andaniny sy ny ankilany.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT