Tratran’ny kapoka an-tampon-doha ve ny fitondrana sa inona no hafatra tian’ny depiote hampitaina tamin’ny nifidianan’izy ireo an’Atoa Rakotonarivo Thierry ilay sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Atitany nandritra ny fitondrana Tetezamita nampandany ny lalŕmpanorenan’ny
Repoblika fahefatra tamin’ny alalan’ny fitondrana kara-panondro sy karinem-pokontany hisolotena ny Antenimieram-pirenena eo anivon’ny Komity mahaleotena mpikirakira ny fifidianana ? Tsy misy isalasalana fa tsy ny mpanohana ny fitondrana mihitsy no nanolotra ity kandida izay lany ity. Atoa Rakotonarivo Thierry, izay filoha mpitarika ny sendikan’ny administratera sivily mpanakiana lava ny fanapahan-kevitra noraisin’ny minisiteran’ny Atitany. Matoa lany teny anivon’ny Antenimieram-pirenena izany io kandida io dia midika fa tsy misy maro an’isa manohana ny filoha Hery Rajaonarimampianina akory eny. Midika ihany koa fa mandalo fotoan-tsarotra indray ny fahamarinan-toeran’ny fahefana mpanatanteraka. Hanao ahoana ny ho tohin’ny fifanatrehana amin’ny raharaha depiote Mara Niarisy avy any Ankazoabo sy ny ho mbola fandaniana lalàna maro samihafa, indrindra fa ny tetibola 2016 ? Tonga dia nisy fiantraikany avy hatrany amin’ny fahamarinan-toeran’ny fitondrana ny tsy maha tafara-dalana ny depiote HVM sy TIM noho ny disadisa Andohatapenaka.
Rabri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.