Politique

Antenimieram-pirenena Banga ny toerana roa hatreto


  • Alatsinainy 05 Aogositra 2019

Tsy mbola manana solombavambahoaka misolotena ny vahoakany ireo distrikan`i Fandriana sy Mahabo eo anivon`ny Antenimieram-pirenena.

 

 Raha tsiahivina dia voatazona any am-ponja ireo depiote roa ireo noho ny raharaham-pitsarana mahazo azy. Efa voafidy tokoa ny birao maharitra kanefa tsy mbola nandefa taratasy any amin`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) mangataka sy manazava fa tsy mbola tafapetraka ireo depiote tompon-toerana araka ny didim-pitsarana nivoaka. Adidin`ny filohan`ny Antenimieram-pirenena, Christine Razanamahasoa, izany. Tsiahivina fa ny depiote Hasimpirenana Rasolomampionona dia voatazona am-ponja vonjimaika noho ny fivarotana ny Villa Elizabeth. Nirotsaka amin’ny anaran`ny vondrona IRD ny tenany. Mbola ao anatin`ny fiandrasana ny didim-pitsarana kosa izy ankehitriny. Raha ny lalàna misy eto amintsika, tsy  azo henjehina ireo olom-boafidy eo anivon`ity andrim-panjakana ity. Raha tsy mbola meloka izy eo anivon`ny fitsarana, mizaka ny fiheverana fa tsy meloka (presemption d`innocence) izy. Miankina amin`ny vanim potoana sy ny fanovana lalàmpanorenana vao afaka manao ny fanenjehana parlemantera. Ny fanamorana ny fanenjehana ireo depiote izay mialoka anatin`ny sata mifehy azy ireo no mahamaika ny minisiteran`ny fitsarana ankehitriny. Miankina amin`ny hisian`ny fikitihana ny lalàmpanorenana no ahafahana manatanteraka izany. Tafiditra ao anatin`ny raharahaha fitsarana misahana ny ady amin`ny kolikoly (PAC) ny mikasika ireo solombavambahoaka roa voafidy tany Mahabo sy Fandriana  ireo. Nanamafy ny teo anivon`ny PAC fa hijery izany akaiky noho izy ireo nanan-draharaha mialohan` ny nahavoafidy azy ireo depiote saingy mbola mandalo eo anivon`ny fanadihadiana (juge d`instruction)

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT