Politique

Antanimena Nisy nitoraka grenady ny foiben’ny HVM


  • Alatsinainy 26 Martsa 2018

Nisy nanipy zavatra mipoaka teny amin’ny foiben-toeran’ny antoko Hery Vaovaon’i Madagasikara (HVM) teny Antanimena ny sabotsy 24 martsa lasa teo manodidina ny tamin’ny 9 ora sy sasany alina. Raha araka ny fantatra dia lehilahy 2 no tazan’ny teny amin’ny manodidina nanipy zavatra ary nitsoaka avy eo.

 

 Tsy mbola nisy ny fanambarana sy tati-baovao ofisialy aloha fa hatreto dia heverina fa grenady io nipoaka io, ka vehivavy iray mpivarotena nijorojoro teo amin’ny manodidina no naratra. Nisy fiara iray nandalo ihany koa no vaky fitaratra. Niparitaka ihany koa ny ampahan’ny fitaratra misy ny foiben’ny HVM. Azo heverina avy hatrany fa nahery vaika ilay fipoahana ary soa ihany fa tsy tamin’ny fotoana naha be olona nifamezivezy fa raha tsy izany dia tena mety ho zava-doza no nitranga. Ny polisim-pirenena ao amin’ny sampana heloka bevava (BC) no nandray an-tanana ny fanadihadiana avy hatrany ka re fa misy sahady ny olona maromaro mianadahy efa nalaina am-bavany nanomboka ny sabotsy alina ka tafiditra ao anatin’izany ny mpanao gazety vehivavy iray. Azo antoka fa hiteraka adihevitra betsaka ity raharaha ity satria foibena antoko politika lehibe eto amin’ny firenena no lasibatra. Iaraha-mahalala ihany koa fa mafana dia mafana ny toe-draharaha politika, indrindra momba ny fandinihana ny lalàm-pifidianana eny amin’ny parlemanta. Vao ny zoma teo ihany koa no naneho hevitra ary nanakiana mafy io fikarakarana ny fifidianana io ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina. Ny herinandro lasa iny moa dia hita fa sahirana ny HVM sy ireo mpiara-dia aminy teny amin’ny antenimieram-pirenena satria tsy afaka nampanjaka ny hevitr’izy ireo noho ny fitsivalanan’ny TIM sy ny MAPAR. Iza no mahita tombontsoa amin’ny asa fampiorohoroana fitorahana grenady ny foiben-toeran’ny HVM ? Tsy amidy eny an-tsena ny grenady. Raha toa moa ka grenady marina ilay nipoaka, sarotra ho ana olon-tsotra ny mahita azy. Tsy maintsy alaim-panahy ny maro hieritreritra fa misy ambadika politika izao tranga izao, na sanatria sinema hanadalana saim-bahoaka ihany koa. Anisan’ny toerana efa nahitana tranga tahaka izao ny teny Mahamasina, Tsimbazaza, Anosy saingy tsy hita ny tena marina hatramin’izao na dia nahafatesana sy naharatrana olona aza. Nikatso ny fanadihadiana, manjavozavo ny fampitam-baovao ofisialy. Ho hita anio ny mety ho tohin’ity fipoahana nikendrena ny foiben-toeran’ny HVM teny Antanimena ity.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT