Antananarivo tsy maintsy mandroso

Lasa Antananarivo tsy maintsy mivarina


  • Zoma 12 Janoary 2024

Manetsetra sisa mahita ireo tahirin-tsary mikasika an’Antananarivo

talohan’ny taona 2008 tany ho any. Nadio ny tanàna. Nalalaka ny lalana. Voaroaka araka ny tokony ho izy ny fako. Tsaroana ny hiran’i Samoela nanao hoe “Antananarivo ry akama, renivohitr’i Gasikara. Tsy maintsy manao tsaratsara na ny olona na ny tanàna… Mijery “jeu d’eau” eny Ankorondrano… Asio paozy kely, sambany tonga eto Analakely…”. Tena nireharehana ilay tanàna, hoy ireo nahatsiaro, ary mbola nisy “feu tricolore”, izany hoe jiro torolalana ho an’ny mpampiasa arabe teo amin’ny 67ha. Ankehitriny anefa dia io iaraha-mahita io ny fakobe tsy voafehin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo izay tsy hay intsony ny azo ilazana azy hoe tokony ho atao hoe teo aloha ve sa mbola tokony atao hoe ankehitriny? Efa tsy mpivarotra amoron-dalana intsony fa tena efa hila ho eny an’arabe mihitsy no zary mameno tanàna. Ny karazan-ketra takiana amin’ireo mponina anefa nandangana tahaka ireny inona ireny, hoy ny filazan’ireo mponina sorena manoloana ny zava-misy izay. Antananarivo tsy maintsy mandroso no nampanantenaina. Antananarivo tsy maintsy mivarina no tanteraka.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT