Antananarivo Renivohitra

Notendrena ho PDS i Alexandre Georget


  • Talata 19 Novambra 2024

Voatendry ho PDS na Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina

Antananarivo Renivohitra omaly Atoa Alexandre Georget, Filohan’ny Antoko Maitso, mpikambana tao anatin’ny Vondrona ARMADA, Minisitry ny tontolo iainana teo aloha. Izy izany no PDS fahatelo teto Antananarivo, rehefa lasa minisitry ny fanajariana ny tany ny ben’ny tanàna voafidy farany Atoa Naina Andriantsitohaina ny volana aprily 2024 teo. Nodimbiasan’Itompokolahy Ramanambitana Richard, avy eo Rtoa Harilala Ramanantsoa nanomboka ny 26 aogositra, saingy voatery niala rehefa voaray ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana iray volana taorian’io. Banga teo ny toerana nanomboka ny 27 septambra 2024, tsy noraharahiana firy teo, ka asa hoe : inona no naha taitaitra ny fitondrana ka niroso tamin’ny fanendrena PDS ihany iray andro nialohan’ny propagandin’ny fifidianana ben’ny tanàna ? Izao ve vao tsapa ny fahabangan-toerana sa kajikajy politika eo anatrehan’ny toe-draharaha mafampana eto Antananarivo ? Ho PDS tetezamita kely anatin’ny iray volana eo izany Atoa Alexandre Georget ka izy izany no hamindra fahefana amin’izay ben’ny tanàna manaraka eo ! Sa sanatria ho PDS fiandry sy haharitra eo anatrehan’ny mety ho toe-draharaha tsy ampoizina mikasika ny fifidianana eto Antananarivo izay efa ireny niaraha-naheno ireny ny kabary fihantsiana sy toa fandemen-tsaina nalefa ireny ? Hanao amboletra ary efa mihomana amin’ny mety ho tsy fankasitrahana an’izany ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT