Antananarivo Renivohitra

Nomena ny TIM ny fitantanana


  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

sy ny fitsinjaram-pahefana, Arrêté laharana 14580/2026 izay manendry Delegasionina manokana hitantana vonjimaika ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Ity fanapahan-kevitra ity dia mifototra amin’ny didim-pitsarana n°47VS tamin’ny 5 Desambra 2025 izay nanamarika ny fahabangan’ny toeran’ny Ben’ny Tanàna. Nisy ihany koa moa ny didin'ny Fitsarana tampony nanafoana ny fifidianana teto Antananarivo ny 09 martsa, ka voatery namindra fahefana tamin'ny ben'ny tanàna lefitra ny ben'ny tanàna teo aloha Harilala Ramanantsoa ny faran'ny volana martsa. Nanamafy ny Tribunal Administratif eto Antananarivo da mbola foana ny toeran’ny Ben’ny Tanàna ka nahatonga ny fanendrena ity rafitra vonjimaika ity. Notendrena ho PDS noho izany Atoa RALAMBOMANANA Fenoherintsoa depiote teo anivon'ny Boriborintany faha-3 eto Antananarivo. Lefitra voalohany, RALIAHARISON Nirina Thiery, ary lefitra faharoa RANAIVOSON Ny Hery Mananjara. Nambara fa ny fanendrena dia miorina amin’ny Lalàmpanorenana sy ireo lalàna organika mifehy ny kaominina sy ny rafitra ara-pitantanana. Ireo no hanatanteraka ny andraikitry ny Ben’ny Tanàna sy ny birao mpanatanteraka mandra-pisian’ny fanendrena vaovao. Ity fanendrena ity dia maneho dingana ara-politika sy ara-pitantanana iray ho an’ny renivohitra satria miantoka ny fitohizan’ny asa sy ny fitantanana eo anivon’ny kaominina na dia eo aza ny fahabangana amin’ny toeran’ny Ben’ny Tanàna. Ara-politika, nisy ny fifandroritana teo amin'ny TIM sy ny TGV ka nahafoana ny fifidianana. Avy amin'ny TIM ny PDS notendrena izay isan'ny notakian'ireo mpikatrok'io Antoko io. Asa lehibe ny miandry azy ireo amin'ny fitantanana sy fandrindrana ary ny fanajariana ny tanàna.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT