Antananarivo Renivohitra

Nahafeno fepetra avokoa ireo kandida 7


  • Alarobia 02 Oktobra 2024

Tokony ho ny alatsinainy 30 septambra teo no nivoaka ny lisitr’ireo kandida manerana

ny Nosy nankatoavin’ny OVEC, saingy hatramin’ny omaly tsy nisy resaka firy. Samy nanao ny azy mangingina ? Izay tsy tafiditra dia mampiakatra ny raharaha eny amin’ny CENI ary raha tsy tafavoaka ao dia mbola afaka mampiakatra eny amin’ny CENI. Ho an’ny eto Antananarivo manokana, efa nisy ny fampahalalam-baovao nitatitra fa nahafeno fepetra avokoa ireo lisitra kandida miisa 7 mirotsaka eto Antananarivo Renivohitra, ka nankatoavin’ny OVEC. Raha hiverenana kely, dia ireto avy ireo kandida mirotsaka eto Antananarivo Renivohitra : Tahina Razafinjoelina, Tojo Ravalomanana, Harilala Ramanantsoa, Gascar Fenosoa, Joseph Martin Randriamampionona, Monja Roindefo, ary Ndriana Razanamasy. Heverina fa hafana ny fifaninana satria isan’ny stratejika be ara-politika i Antananarivo. Ny irariana fotsiny dia ny tena hisokafan’ny mason’ny vahoaka sy hahaizany mifidy mba tsy ho sorona lava sy hiha hilentika hatrany ny Renivohitr’i Madagasikara, fa hivoatra sy hirindra amin’izay ny fitantanana, ny fiainan’ny vahoaka miaina sy mivelona eto, ny raharaham-panjakana,… Any amin’ny 19 novambra hatramin’ny 09 desambra ny propagandy hahafahan’ny vahoaka mamantatra amin’ny antsipirihany ny vina sy progaraman’asan’ireo kandida. Ny seraseran’ny CENI moa namoaka fa ny talata 08 oktobra farafahatarany no hamoahan’io Vaomieram-pifidianana io ny lisitra ofisialin’ireo kandida amin’io fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolontsaina io. Ny 09 oktobra tapany maraina kosa no hanatanterahana ny fisarihana ny laharan’ny kandida tsirairay ao anatin’ny bileta tokana, any amin’ny rantsa-mangaikan’ny CENI isaky ny distrika. Tsiahivina hatrany fa 157 amin’ny 1695 no tsy misy afatsy kandida tokana, izay tsy mbola nisy teo amin’ny tantaran’ny fifidianana, porofo maneho ny fanasarotana sy ny kajikajy maloto nialohan’ny fotoana,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT