ANTANANARIVO RENIVOHITRA

Mijoro i Tahina RAZAFINJOELINA


  • Alakamisy 26 Septambra 2024

Tsotra, marina, mahomby. Izay no teny filamatra mampiavaka azy ary mora nahatadiavan'ny rehetra an'i Tahina Razafinjoelina,

herintaona lasa izay raha kandida filoham-pirenena ny tenany. Niaraha-nahalala moa ny toe-draharaha tamin'izany fotoana dia nisy ny hetsika fotsy. Tsy sanatria hoe niara-nivalona tamin'ny taona 2023 ny fitiavan-tanindrazana fa afo miredareda ao am-po. Maro ny lesona noraisina sy ny hevitra avy amin'ny mpiray tanindrazana. Izany no naha-tapa-kevitra ahy ho kandida ben'ny tanànan'ny renivohitr' i Madagasikara, hoy i Tahina Razafinjoelina (TR). Manana vinam-piarahamonina, manana fandaharanasa heverina fa hampivoatra an'Antananarivo ary hampirindra kokoa ny fiainana eto ny antoko Tia Tanindrazana izay manolotra an'i TR amin'izao fifidianana kaominaly izao. Miaraka vao mandresy fa tsy mandresy vao miaraka, fotoana izao hampisehoana fa azo atao tsara ary vita ny mampivoatra an'Antananarivo fa tsy hijanona halaza ratsy amin'ny loto sy fako tsy voaroaka ara-potoana foana. Miaraka hatrany hahatanterahana ny asa rehetra ny fanabeazana, fitsinjaram-pahefana ary ny teknolojia nomerika ho an'i Tahina Razafinjoelina sy ny ekipany amin'ny asa rehetra izay atao. Maro no efa vita teto, tsy maintsy mbola ho tohizana eo amin'ny sehatry ny fanabeazana sy ny informatika ary ny teknolojia avo lenta. Mendrika hisitraka izany ny mponin'Antananarivo, tsy fampanofinofisana na fampanantenana fa zavatra efa natao ary mbola azo tohizana tsara. Anio alakamisy amin'ny 11 ora maraina no hametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiany ho ben'ny tanànan'Antananarivo ny lisitra Tia Tanindrazana tarihan'i Tahina Razafinjoelina.
RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT