Antananarivo renivohitra

Kandida i Rinah, nialany ny "orange"…


  • Alarobia 10 Jolay 2024

Nanao fampahafantarana teo amin’ny pejin-tseraserany Rtoa Rinah Rakotomanga omaly,

fa kandida ben’ny tanànan’Antananarivo. Isan’ny nahafantarana azy raha tsiahivina ny naha Talen’ny Seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika azy tao anatin’ny Fitondrana Rajoelina, lasa mpanolontsaina ambony tany amin’ny Masoivohontsika tany Frantsa, lasa Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny Madagascar Airlines, ary tsy manana andraikitra ofisialy ao anatin’ny Fanjakana amin’izao fotoana izao raha ny fahalalana azy. Mirotsaka amin’ny anaran’ny tenany manokana izy ao anatin’io. "Mijoro aho ankehitriny hitondra ny anjara birikiko, fa tsy efako izaho samy irery izany fa izaho sy ianao, isika miaraka no hahavita io, tsy hanavahana na iza na iza fa izay vonona hoan'Antananarivo dia raisina antanandroa fa io ny antsika.", hoy izy. "Maro ireo mpiara-miombon'antoka any ivelany miara-dia sy mivonona ny hifanohana fa isika sisa no andrasana hitondra ny fahaiza-manaontsika sy ny fahavononantsika ho an'Iarivo mamintsika," hoy hatrany i Rinah Rakotomanga. Nilaza fa efa ela niomanana ary efa nanampikasana tany amin'ny 14 taona lasa. Naneho ny tenany, fa betsaka ireo ady sy dingana natrehina, izay tsy mora ary nanahirana azy satria niharan'ny fanenjehana sy fanapepoana foana na ny ara-kevitra, na ny ara-potokevitra na ny maha vehivavy azy. « Ireo izay asa natao dia nahitana fanenjehana sy fanasotekana ary fanaratsiana foana,… fa nijoro foana, mijoro aho ary mbola hijoro hiaro ny hevitro sy ny maharesy lahatra ahy hoan'ny tanindrazana! », hoy izy. Toa misy karazana alahelo politika ihany ny firesany izay naneho, fa rehefa tonga ny fotoan-tsarotra dia miady irery ianao ary hafatratra any aminao avokoa ny tsy fetezana rehetra, fa rehefa tonga ny fotoam-pamokarana dia tonga avokoa ny rehetra milaza fa tena namana hono. « Tsy asiantsika olana izany fa hitako fa mety ankehitrio dia arosoko hoan'ny vahoakan'Antananarivo ny hevitra sy tetika ary paika hanarenana sy hamerenana indray ny hasin'ny tananantsika izay lasa ivotoeran'ny adilahy politika sy ny fifanjevoana eo amin'ny fanjakana foibe sy ny fiadidiana ny tanana hatrizay ka hatrizao », hoy i Rinah Rakotomanga. Mahatsiaro ho atao anjorom-bala ve izany Rtoa Rinah Rakotomanga rehefa misy ny fahombiazan’ny volomboasary kanefa isan’ireo nizaka ny mafy tamin’ny fanenjehana ny fitondrana ka naleony nikopa-kelatra nisara-dalana ? Sa politika avo lenta ?
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT