Iza ary no ho kandidàn’ny vondrona IRD (Isika miaraka amin`I Andry Rajoelina) ho ben`ny tanànan` Antananarivo Renivohitra ?
Tsy mbola manana kandidà tena afaka hifaninana izy ireo ka mety noho io antony io ihany no mampitarazoka ny fifidianana. Raha ny eto Antananarivo Renivohitra dia anjaran`ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM). Voaporofo tamin`ny fifidianana filoham-pirenena farany teo fa nitarika tamin`ny isam-bato 58, 86% i Marc Ravalomanana teto Antananarivo Renivohitra. Ny filoha Rajoelina nifaninana taminy aza tsy nahazo afa-tsy 29,52%. Ny fihodinana faharoa dia mbola nitarika tamin`ny isam-bato 61,31% izy ary 35,69% ny vato azon`i Andry Rajoelina. Teo amin`ny fifidianana solombavambahoaka, saika tsy latsaky ny 40% ny salanisan’ireo kandidà TIM tao amin`ireo boriborintany enina. Marihina fa ity antoko ity dia efa niomana fatratra amin`ny fifidianana ben`ny tanàna ary nivoitra tamin`ny kaongresin`ny antoko fa mety ho i Marc Ravalomanana, filoha nasionalin`ny antoko no ho kandidà. Tsy mbola misy aloha ny fanambarana ofisialy mahakasika izany. Ity filoham-pirenena teo aloha ity anefa dia hita matetika manao fidinana ifotony mijery ireo fokontany ary manao sarintsarina fampielezan-kevitra. Mitodika any amin`ny vondrona IRD ny mason`ireo mpanara-baovao. Raha ireo resaka mandeha dia i Augustin Andriamananoro no ho kandidàn`ny fitondrana. Nivoaka ny feo fa mety ho ao koa ny minisitry ny fanajarina ny tany, Hajo Andrianainarivelo. Araka ny loharanom-vaovao kosa dia mirona any amin`ny vehivavy ny filoha Rajoelina. Voaresadresaka i Rinah Rakotomanga, talen`ny seraseran`ny fiadidiana ny Repoblika. Eo ihany koa ny solombavambahoakan`i Madagasikara, Lanto Rakotomanga. Mety mbola ho Lalatiana Andriantongarivo Rakotondrazafy, izay efa kandidà ben`ny tanàna tamin` ny fifidianana 31 jolay 2015, ve no hotohanana ? Tsiahivina fa laharana faharoa ity minisitry ny serasera ity tamin`izany taorian`ny ben`ny tanàna Lalao Ravalomanana. Raha ireo voalaza ireo dia mety ho i Mialy Rajoellina no olona tokana hifanentana ho kandidà hifaninana eto Antananarivo Renivohitra. Noho izany, hisafidy ireo mpiara-miasa akaiky azy ve ny filoham-pirenenasa hitady olom-baovao mety ho tian`Antananarivo ? Sa hisokatra ka hanohana kandidà hafa amin`ireo milaza ho kandidà ? Azo antoka aloha fa hanana kandidà ben`ny tanàna amin`ireo kaominina miisa 1695 manerana ny nosy ny IRD ary milaza fa handrakotra izany izy ireo.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.