ANTANANARIVO RENIVOHITRA

Ho lasibatry ny adilahy politika avo lenta indray ?


  • Talata 20 Aogositra 2024

Anisan’ny lohahevitra miteraka resabe ankehitriny ny fifidianana ben’ny tanana ho an’Antananarivo renivohitra.

Nipoitra ny kandida Rinah Rakotomanga, nilaza fa hanao i Marc Ravalomanana. Teo anelanelan’ ny fanambarana nataon’izy ireo no teraka tampoka ny Mouvement Gasikara, ambara fa feo politika faha telo tarihin’ny depiote vao voafidy Gascar Fenosoa. Ity farany izay mpanao fandaharana tamin’ny fahitalavitra teo aloha dia anisan’ireo mpamerimberina hoe « tsy misy kisendrasendra izany amin’ny politika ». Midika izany fa manana tanjona politika mazava izy matoa niditra amin’ilay Mouvement Gasikara . Ao anatin’izay raharaha izay ihany dia nipoitra ny karazana fanehoan-kevitra hoe mety tsy hanolotra kandida mivantana ny IRMAR, antokon’ny fitondrana fa hanohana kandida, mody ambara hoe tsy miankina na mpampihavana na hery politika hafatelo….Iny moa anarana ihany . Ara-teknika sy ara-politika mantsy dia efa Mazava ny sary fa ho resy ny kandida « orange » raha vao hoe Antananarivo renivohitra izany. Ny depiote TIM no nahazo isam-bato ambony indrindra ho an’ny renivohitra, resiny ny kandidan’ny IRMAR. Manampy izay niarahan’ny rehetra nahita ny kitoatoam-pitantanan’i Naina Andriantsitohiana (2019-2023). Misy depiote tsy miankina iray nisongadina tao amin’ny boriborintany fahatelo dia io lasa mihazakazaka io ny toe-draharaha satria tsy ho avy ny fifidianana. Re fa tsy manana kandida amin’ireo olony 100% ny IRMAR hatreto aloha . Tsy azo eritreretina ny hoe hanohana ny kandidan’ny TIM ny fitondrana, fa raha manohana izy dia kandida tsy miankina. Dia mety hiseho indray izany ny sary tahaka ny vao vita fifidianana solombavambahoaka. Nilaza fa manohana fitondrana ireo kandida tsy miankina rehefa nahazo toerana teny Tsimbazaza. Tahaka ny efa niainana hatrizay izany dia mety hiseho eto Antananarivo renivohitra indray ny adilahy politika avo lenta momba io toerana aman’andraikitry ny ben’ny tanana io. Tantara efa nisy ny taona 1999, 2007, 2014, ka ireo no nitarika ny krizy politika 2002, 2009 ary 2018.
RTT
Sary : Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT