Politique

Antananarivo renivohitra Ho kandida ben’ny tanàna i Clémence.R


  • Alakamisy 13 Oktobra 2022

Ankoatra ny sehatry ny taxi amin’ny ankampobeny, nanao fanambarana ny FTAR na ny Fikambanan’ny Taxi eto Antananarivo, tamin’ny alalan’ny fandraisam-pitenenan’i Alain Andriamanarivo,

isan’ireo mpitarika io Fikambanana io fa mandrisika ary hanohana ny filatsahan-kofidiana ho Ben’ny Tanàna an’i Clémenche Raharinirina hofidiana ho ben’ny tanàna eto Antananarivo amin’ny taona 2023 izy ireo. Vonona ny Taxi hirotsaka ho mpanolon-tsaina hiaraka amin’izay mahafeno ny fepetra takiana, vonona hiara-hiasa sy hampandany azy araka izay azo atao, hoy ny fanamarihana. Izay no isan’ny anton’ny fivoriamben’izy ireo omaly tetsy amin’ny Hotel Astauria tetsy Antanimena omaly. Efa nampoizina ihany ny tahaka izany amin’ny politika. Rtoa Clémence Raharinirina izay isan’ireo nikasa ho kandidan’ny IRD tamin’ny fifidianana farany, saingy I Naina Andriantsitohaina no nahazo izany, ary izy kosa nitana ny lohalisitry ny mpanolontsaina monisipaly. Tsy nitovy ny tadin-dokanga amin’ny andaniny sy ny ankilany tato aoriana, lasa nanao pi-maso amin’ny taxi-motos izay fahavalon’ny taxi ny ben’ny tanàna. Voalaza mantsy fa manodidina ny 7400 ny taxi-moto eto Antananarivo, izay efa mifanahantsahana amin’ny fokontany iray eto Antananarivo. Karazana fametrahana “rapport de forces” eo anatrehan’ny fisintahan’ny taxis voalaza fa manodidina ny 7800 amin’I Naina Andriantsitohaina no nampandaniana ny taxi-moto na efa notsipahan’ny mpanolontsaina monisipaly in-droa aza. Na ny mpanolontsaina Komba aza isan’ireo nampiditra an’io ho lahadinika sy holaniana tamin’ilay fampandaniana tsy lany 28-27 roa volana teo izay. Samy mikendry ny hahazo ny toerana ben’ny tanàna amin’ny 2023, ary efa io miseho io ny sary ankehitriny. Ny sary hita amin’izao, misy sehatra homena vahana sy tambazana raha ny tontolon’ny fitaterana an-tanan-dehibe, ka dia samy hamelo-maso sy hanome vahana izay nahazoany tombotsoa ve izany rehefa tonga eo amin’ny toerana? Isan’ny mpifanandrina voalohany ho an’ireo manam-pikasana hirotsaka ny ben’ny tanàna ankehitriny Naina Andriantsitohaina ka asa hoe: hanao ahoana ny sary politika manaraka? Mety ho kandidan’ny TIM ve i Clémence Raharinirina sa handeha amin’ny anarany manokana ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT