Anio no atolotry ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara amin’ny fomba ofisialy ny kandida ho tohanan’izy ireo mandritry ny fifidianana ho ben’ny tanàna eto
Antananarivo renivohitra raha ny fampitam-baovao voaray tetsy amin’ny foiben’ny RMDM etsy Soarano omaly. Ho fantatra miandalana kosa aorian’izay ireo any amin’ny faritra fa raha ny fanazavana dia apetraka ho zava-dehibe aloha ny fampahafantarana ny eto amin’ny renivohitry ny nosy satria ivon’ny politika rehetra. Raha tsy miova amin’ny ora farany ny fanapahan-kevitra dia heverina fa tsy hisy hanaitra loatra intsony izay mety ho kandida ho tohanan’ity vovonana politika ity izay. Ny filohany, Marc Ravalomanana, teo efa nanambara fa ho isan’ireo kandida eto Antananarivo.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.