Politique

Antananarivo Renivohitra Hangotraka ny fifidianana


  • Alakamisy 29 Aogositra 2019

Hifantoka bebe kokoa amin’ny fifidianana ben’ny tanàna indray ny fiainana ara-politika eto Madagasikara manomboka anio, fotoana hisokafan’ny fandraisana ny antontan-taratasin’ireo kandida.

 

 Ao ireo efa nanambara ofisialy fa ho kandida fa maro ihany koa no miasa mangina sy manomana ny paikadiny hoenti-miatrika izany. Ho an’ny eto Antananarivo izay tena hifantohan’ny sain’ny maro, dia andrasana ny haha ofisialy an’i Marc Ravalomanana harotsaky ny TIM, izay re fa hametra-pialana tsy ho mpanolotsaina manokan'ny Ben'ny tanàna Lalao Ravalomanana, mialoha ny hilazany amin'ny fomba ofisialy fa ho Kandida. Tsy mbola fantatra kosa izay ho kandidan’ny IRD hatreto, izay nambaran’ny Sekretera Jeneralin’ny IRD fa ho olom-baovao. Efa nangataka ny hitondra ny lokon’ny IRD, ohatra, I Clémence Raharinirina izay nilaza ihany koa fa hirotsaka, fantatra tamin’ny fanenjehana an-dRtoa Lalao Ravalomanana sy ny ekipany, niitatra tany amin’ny orinasa Mama. Kandida ihany koa ny mpanakanto Gangstabab na Alban Rakotoarisoa, izay hanatitra ny taratasy filatsahany anio eny amin’ny OVEC (Organe de Vérification et d’Enregistrement des candidatures) eny Nanisana. Tamin’ny 2015 dia niisa 9 ireo kandida. Asa na hitombo na hihena amin’ity. Loko politika roa hatramin’izay no toa niady mafy an’Antananarivo, dia ny TIM sy ny TGV niofo ho Mapar, IRD,.... Ny 2007, fony i Marc Ravalomanana filoha, dia lasan’i Andry Rajoelina ny fandresena. Nitsimbadika ny rasa taty amin’ny 2015 ka nandresen-dRtoa Lalao Ravalomanana an-dRtoa Lalatiana Rakotondrazafy notohanan-dRajoelina. Saika hita teto foana ny fifanenjanana na “duel” teo amin’ireo hery politika roa ireo. Mbola hijanona amin’izay hatrany ve ny ho endrik’ilay fifidianana eto sa hisy kandida tsy ampoizina mety ho elanelam-panahy afaka ny hanakona sy hanatsimbadika izany miainga amin’ny fomba fijery sy fomba fiasany ? Andrasana ny fivoarany satria mbola vao fanombohan’ny fandraisana dosie izao. Ny zava-dehibe dia tsy tokony hatao sorona amin’ny adilahy politika ny renivohitr’i Madagasikara.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT