Politique

Antananarivo renivohitra Hamatsy vola ny Amerikanina


  • Talata 10 Novambra 2015

Tonga teny amin’ny lapan’ny tanàna Analakely, nitsidika sy nidinika tamin’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana omaly maraina ny masoivoho Amerikanina Atoa Robert T Yamate.

 


 

 Nivoitra tamin’ny fifampiresahan’ny roa tonta fa vonona ny hanampy ny tetibola entina hanampiana ny vahoaka malagasy ry zareo Amerikanina hanatanterahana ireo tetikasa heverina ho tena mahomby, indrindra fa ho an’ ny vahoaka tena sahirana eto Antananarivo Renivohitra. Efa niara-niasa ihany moa i Etazonia sy ny kaominina tamin’ny alalan’ny sampandraharaha Amerikanina momba ny fampandrosoana na USAID ary mbola vonona ny hanohy izany izahay hoy i Robert T Yamate omaly. Fiaraha- miasa matotra no hotanterahan’ny roa tonta ho amin’ny fampandrosoana, indrindra ny mahakasika ny fahasalamana sy ny fiomanana amin’ny mety hisian’ny tondra-drano mandritra ny fotoam- pahavaratra. Azo ambara fa fanohanana tena goavana azon’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra ity fanampian’ny Amerikania ity ary hanafaingana ny fanatanterahana ny fandaharanasan’ny ben’ny tanàna

 

Tonga koa ny Eoropeanina

Fa nanao rodobe teny amin’ny lapan’ny tanàna nihaona tamin’i Lalao Ravalomanana koa, mbola omaly ihany ny delegasionina avy amin’ny vondrona eoropeanina notarihan’ny masoivohony eto amintsika Atoa Antonio Sanchez Benedito . Marina hoy  ny Ambasadoro Eoropeana fa ny fanjakana Malagasy no miara-miasa amin'ny Vondrona eoropeana izay saingy tsy adino ny fanampiana atao amin'ny fanatanterahana ireo tetikasa kasain'ny fiadidian'ny tanànan'Antananarivo atao.Tahaka an’i Etazonia dia nanamafy ihany koa ny vondrona eoropeanina fa vonona hiara-hiasa amin’ny kaominin’Antananarivo renivohitra sy hanampy eo amin’ny lafiny ara-tsosialy sy ny resaka fampandrosoana ifotony isam-pokontany. Na tsy mbola nisy aza ny fanononana sora-bola dia azo ambara fa mpiara-miasa roa goavana ireto nihaona tamin’ny ben’ny tanàna omaly teny Analakely ireto, ary azo antoka fa ho hita maso sy ho azo tsapain-tanana tsy ho ela ny asa taorian’ny fifampiresahana. An-kilan’izay, manome lanja politika hatrany an-dRamatoa Lalao Ravalomanana ny fihaonany amina solontenana firenen-dehibe tahaka izao satria efa tonga nitsidika azy ary nilaza fa hiara-kiasa sy hanampy azy avokoa ny masoivohon’ireo firenen-dehibe eto amintsika toa an’i Alemaina, Frantsa, Japon, Etazonia ary ny vondrona Eoropeanina.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT