Miasa mangina tsy be resaka ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana. Misy no marary an-doha amin’izany satria efa notezaina tamin’ny resabe, ka ny fifamaliana sy ny fifanasana vangy no andaniana fotoana, hany ka hadino ny tena asa, miteraka fampandrosoana andrasan’ny vahoaka.
Ao anatin’izay lojikan’ny fampandrosoana sy ny fampivoarana ny vahoaka sy ny tanàna izay anefa no lalan-jotran’i Neny, araka ny efa nambarany ny alakamisy 16 jolay 2015 tao amin’ny Magro Behoririka, nanokafany ny fampielezan-kevitra ho amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna. Nambaran’i Neny mazava tamin’izay fa efa manana vahaolana entina hampivoatra ny vahoaka sy ny Kaominin’Antananarivo Renivohitra izy. Fandaharanasa enina mazava no narosony ho fanarenana sy fampivoarana ahatonga ho modelin’ny fampandrosoana indray ny renivohitr’i Madagasikara, ka nifidianan’Antananarivo azy.
Fitsipi-pifehezana
Voalohany ny maha andriamanjaka ny Vahoaka amin’ny fandrindrana ny fiarahamonina miaraka amin’ny tokantrano milamina ary olona salama sy voky. Lojika amin’ny teniny i Neny raha zohina amin’izao zava-misy izao. Antomotra ny fetin’ny Noely sy ny fetin’ny faran’ny taona. Avela aloha ny vahoaka hitady vola mba hanomanany ny fetiny, fa efa tena trotraka. Vao miandoha ny taona vaovao dia tsy hisy alaharo ny asa fanarenana. Faharoan’ny fandaharan’asany ny fitantanana mangarahara. Mazava ny amin’iny, izay koa no mampirodorodo ireo mpiaramiombon’antoka vahiny tonga ao amin’ny Ben’ny tanàna. Manara-maso an’izany rahateo ny Filankevitry ny tanàna. Fahatelo ny fahadiovana sy ny filaminana. Dia io rodobe manadio tanàna, isaky ny Boriborintany io, toy natao teny Mahamasina ny sabotsy teo sy ny efa natao teny Anosibe ary nialohavana fanentanana sy fanetsehana ny teny amin’ny Fokontany, fa “rehefa tsy mandoto, dia efa naman’ny manadio”. Raha tsy natao ireny, na mbola santatra aza, mety hafahafa ny fiantraikan’iny orana tamin’ny sabotsy iny. Fahefatra ny asa ka goavana indrindra ny fanorenana trano maha te ho tia. Lavitr’ezaka io, manana efa-taona i Neny hanaovana ny asa. Voaasa atsy Pretoria Afrika Atsimo izy ny amin’io. Fahadimy ny fampandrosoana maharitra ka hojerena ao ny tsena sy ny fisorohana ny tohana amin’ny fifamoivoizana. Efa saika henika polisy monisipaly ny sakelidalana rehetra eto an-tanàna. Natomboka koa ny fanarenana ireo fotodrafitrasa fandrindrana fifamoivoizana amin’iny lalan’Anosibe iny na misy aza ny sakantsakana ataon’ny fitondrana HVM. Fahenina dia ny fanomezan-danja ny tanora sy ny ankizy. Tafiditra ao ny fananganana ivontoerana fialamboly sy fanatanjahantena ho an’ireo sokajy ireo isaky ny boriborintany. Fanambin’ny Ben’ny tanàna ihany koa ny hamerenana ny “cantine scolaire”. “Tsy maintsy apetraka kosa anefa ny fitsipi-pifehezana ahafahana manatontosa ireo fanamby rehetra ireo”, hoy i Neny.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.