Politique

Antananarivo aza tsy voatantana Tsy mahagaga raha mikorosy fahana i Madagasikara


  • Alakamisy 09 Martsa 2023

Mampiteny ny moana ny fahapotehan’Antananarivo amin’izao fotoana izao, ary tsy misy izay tsy miresaka an’izany izay mahita.

Tena mihemotra fa tsy mandroso araka ny fampanantenana sy lokaloka tany amin’ny propagandy. Na aiza na aiza aleha, fahapotehana sy fahasimbana no tazana. Potika tsy misy horaisina ny ankamaroan’ny làlana, ary izay boriborintany rehetra aleha fahasimbana no misongadina. Ny hatsaran’ny làlana sy ny fotodrafitrasa anefa no isan’ny tandindona manamarika ny renivohitra maneran-tany, ary vavahadin’I Madagasikara rahateo Antananarivo. Ny renivohitra no tandindona sy sary voalohany hitarafan’ny vahiny ny fandrosoana na fihemoran’ny firenena iray ka dia io iaraha-mahita io izy io hoe: mandroso sa mihemotra? Madio sa maloto? Milamina sa mikorontana? Mahantra sa manan-karena? Mitotongana manaraka izany ny fari-piainan’ny mponina. Asa izao tokoa ve no fomba fiasa hoenti-milaza fa tena ilaina ny teleferika? Izao ve no làlana saika hampidirina “bus” be manara-penitra? Aiza ilay lokalokan’ny Filoha ankehitriny nanao toromarika ara-pifidianana na “consigne de vote” iray andro nialohan’ny fifidianana ben’ny tanàna fa homena 11 miliara izy isan-taona I Antananarivo? Nenjehina mafy ny ben’ny tanàna teo aloha, ary ingahy Filoha mihitsy no nilaza mivantana fa maimbo sy voretra ary nihemotra I Antananarivo? Ankehitriny izy izany mandroso rehefa ny iray loko politika amin’ny fitondrana no eo amin’ny fitantanana? Ny resaka lamina mba napetraka aza nohitsahina tamin’ny alalan’ny fanambazana politika dia ny hoe : havela hivarotra ny mpivarotra amoron-dàlana, ny fitaterana mikorontana ambony ambany saingy mbola nampidirana kazarany hafa noho ny fikatsahana vato amin’ny fifidianana,… Ny toekarena mihemotra, ny fihariana mihisatra noho ny antony maro toy ny fitohanana lavareny isan’andro,… Antananarivo eto amin’ny talaky maso eto io iaraha-mahita io ny fihemorany sy ny fahapotehany, mainka fa manerana ny Nosy. Tsy misy izay tsy mikaikaika amin’ny fahapotehan’ny làlam-pirenena, ny làlam-paritany,… Antananarivo eto ambany maso eto aza tsy voatantana, ka tsy atao mahagaga raha mikorosy fahana ny firenena manontolo, kanefa mbola hiezaka hampanonofy mba hahazoana 5 taona manaraka indray.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT