Politique

Annick Ratsiraka Manentana ny Malagasy handray an-tanana ny hoaviny


  • Alatsinainy 11 Septambra 2023

Manohy ny fitetezam-paritra mihaona sy mifampizara ny vinan'ny Arema, Rtoa Annick Ratsiraka, Sekretera

nasionalin'ity antoko naorin'ny Amiraly Didier Ratsiraka ity. Tany Antsiranana izy ny herinandro lasa teo, nitafatafa tamin'ireo kamarady Arema sy ny mponina tao an-toerana. Tamin'izany no nanentanany ny Malagasy handray an-tanana ny hoaviny. Novantaniny fa tsy maintsy iadiana io fahantrana io ary atao izay haha firenena matanjaka an'i Madagasikara amin'ireo harena ananany ka tsy ho faha-5 avy any aoriana intsony fa mba ho anatin’ny firenena 5 voalohany matanjaka. Tamim-pahasahiana ihany koa no nilazan'i Annick Ratsiraka fa tsy mbola nisy "ady" ka tsy nandresen'ny Arema. Tsy miara-miasa sy mifanome tanana anefa hoy izy ny rehetra, ny raiamandreny, ny manampahaizana, ny tanora, sns satria firenena iombonana i Madagasikara. Koa mila fohazina ny Malagasy, hanova ny tantaran'i Madagasikara. Kandida faharoa tonga nametraka antontan-taratasy firotsahan-kofidiana ho Filoham-pirenena teny anivon’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana i Annick Ratsiraka, saingy nolavina noho ny tsy fahampian’ny dosieny.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT