Politique

Annick Ratsiraka Ho kandidan'ny AREMA ?


  • Talata 17 Janoary 2023

Mangataka ny Sekretera Nasionalin’ny Antoko Revolisionera Malagasy na Arema, Rtoa Annick Ratsiraka hirotsaka

hofidiana ho filoham-pirenena ny Komity Mpitantana sy ireo Sekretera Nasionaly lefitra avy amin’ny Faritany enina ary ireo rantsamangaikan’ny Arema rehetra. Nivoitra io nandritra ny fifampiarahabana noho ny fahatratrarana ny taona 2023 natao tena Mangarivotra Faravohitra Antananarivo, ny 15 janoary 2023 teo ka nifanolorana firariantsoa sy fanomezana. Nankasitraka ny mpikatroka rehetra Rtoa Annick Ratsiraka ny amin’ny fifampitokisana misy eo amin’ireo mpitarika sy ny mpikatroka Arema. Nanaraotra ny fotoana ny tenany nanaovany tatitry ny asa vita sy ny vina ho an’ny taona 2023. Nilaza tamin’ireo mpikambana ihany koa Rtoa Annick Ratsiraka ny amin’ny fanohanan’ny Arema ireo mpikatroka mirotsaka amin’ireo fifidianana Ben’ny tanàna, Solombavambahoaka. Arema ! Vahoaka, Firenena. Io moa no teny filamatra entin’ny antoko hanatanterahany ny vinany. Manomana sahady ny fankalazana ny tsingerintaonan’ny Arema amin’ny 19 Martsa ny antoko, ka hatomboka amin’ny fanetsehana ireo mpikatroka eto Antananarivo izany. Marihina fa ny alahady teo ihany koa no nanaovana ny lalao famaranana ny fifaninanana rugby ho an’ny teny amin’ny Distrika Avaradrano izay natao tao amin’ny Kaominina Ankadikely Ilafy, ka ny antoko Arema no niantoka ny loka tamin’izany.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT