Politique

Ankon’ny Magro 5 amin’ny 15 ihany no kandida


  • Alatsinainy 24 Oktobra 2011

Kandida 5 amin’ireo 15 hisafidianana izay ho praiminisitry ny marimaritra iraisana no hany tsy manohana an’i Andry Rajoelina, raha ny fanazavan’ireo mpanohana ny Ankolafy telo.

 Raha misora-tena ho antoko matanjaka ny antoko politika iray dia tsy tokony hialokaloka aorian’antoko hafa toy izay ataon’ny Asa Vita no Ifampitsarana, hoy ihany ireo nandaha-teny izay samy nanamarika sy nitaky ny fodian’ny filoha Ravalomanana izay heverin’izy ireo fa manana fahendrena ka mendrika ho filoham-pirenena. “Be ny zava-bitan’i Dada ka iny no anay”, hoy izy ireo. Nanamarika koa i Manoela fa raha tsy tanteraka avokoa izay notakiana dia hitohy hatrany ny tolona. Ankoatra izay dia nanamarika ny solontenan’ny MFM, Jeanson fa toromarika avy any amin’ny filoha Ravalomanana ny filazana fa voafehin’i Manandafy Rakotonirina Ravalomanana. Efa nahazo tsodrano ary mbola toromarika avy amin’ny filoha Ravalomanana ihany koa ny nahatongavan’i Manandafy teny Ambohitsorohitra, ho fanatanterahana ny sori-dalana.

Misy indray manko manely tsaho fa namadika ny filoha nasionalin’ny MFM matoa nankeny, araka ny fanazavana ihany. Voafehin-dRavalomanana koa i Manandafy, hoy izy, satria nankato ny toromarika avy aminy ny tsy hanatrehana izany dinika nokasaina hatao tao amin’ny hotely Colbert izany. Etsy andanin’izay dia nanamarika ny depiote Jules Andriamaholison fa “mandry ny saina satria tsy maintsy praiminisitra eken’ny mpanohitra no hotendrena”. Izany dia midika fa tsy maintsy hisy resaka amin’ny mpanohitra, hoy ihany izy. Tetsy andanin’izany dia nambaran’ny solombavambahoaka Zafilahy Stanislas fa ny ataon’ny FAT ihany no hahalany ho filoha an-dRavalomanana, ary dia tsy hifarana ny tolona raha tsy lany ho filoha izy. Fampandrosoana no hain-dRavalomanana, hoy ihany izy fa tsy politika ka mila tanana izy. Ankoatra izay dia nambaran’i Zafilahy Stanislas ihany fa tsy tokony hiditra politika ny miaramila. Naharitra ora 10 ny dinika teo amin’ny tafika malagasy sy ny masoivohon’i Afrika Atsimo. Nohamafisiny fa tsy hifarana ny tolon’ny Ankolafy 3 raha tsy tanteraka ny fitakian’ izy ireo dia ny fampodiana ireo sesitany politika rehetra, ny famoahana ihany koa ireo gadra politika rehetra, ny fametrahana ny tetezamita tena izy hizorana amina fifidianana marina, mangarahara hahatongavana amina Repoblika vaovao.

Nangonin’i Soa

Sary : Hetsika tao amin’ny Magro ny sabotsy teo (sary : Rakotobe)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT