Misy olona tsy te-hanaraka rafim-pifehezana a anatin’ny ankolafy Zafy Albert, hoy i Camille Mektoub, satria marolafy be ny antoko politika mpikambana ao (Arema, Ram, Mdm sns…).
Efa te hiverina tanteraka any amin’ny vondrona niaviany izy ireo ka mametraka olana amin’ny fanapahan-kevitra avoakan’ny Pr Zafy Albert. Dia misy mihitsy ny maninzingizina fa tsy eken’ny avy any amin’ny Faritra 5 mihitsy izany fanapahan-kevitra izany. Izahay anefa, hoy izy, sady mpitolona no zanaky ny Faritra 5, tsy manohitra fa miady hevitra. Tsy mikely soroka mihitsy ny Frantsay, hoy i Camille Mektoub, mitady hevitra hipatitahan’ity ankolafy ity ary mbola hataony amin’ny ankolafy Ravalomanana sy Didier Ratsiraka koa izany atsy ho atsy. Ho’ahy, hoy ity mpitari-tolona ity dia tsotra, raha mahatsapa tena izy fa tsy miombon-kevitra amin’ny tenin’i Zafy dia tokony hiala izy fa tsy ny anaran’ny ankolafy no entiny hampisaraham-bazana etsy sy eroa.
Misy milaza, hoy i Camille Mektoub, fa « malhonnête » ireo vondrona na antoko politika mbola nanolotra olona efa fantatra fa miandany amin-dRajoelina izay efa voararan’ny tondrozotra. Marina izany, hoy izy, fa amiko koa dia misy « manque de courage » amin’ny mpitondra FAT hilaza ny marina amin’ny vahoaka. Tokony hanana « courage » ry zareo hilaza fa izay voalazan’ny soridalana ihany no tena izy, hilaza koa fa tsy nisy fankatoavana azo teto fa tsy mbola niditra tao anaty fitondrana ny an-kolafy 3 ary tsy hahazo izany mihitsy raha tsy izay no miseho. Tokony hanana « courage » hilaza fa « récomposition » fa tsy « élargissement » no voalazan’ny andininy ao amin’ny soridalana mikasika ny parlemantan’ny tetezamita. Tokony hanana « courage » hanolotra haingana ny praiministra fa tsy ho baikon’ny atsy sy aroa lava izao.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.