Politique

Ankolafy telo Nifanazava teny an-kianja


  • Zoma 11 Novambra 2011

Taorian’ny soratra maro sosona (SMS) izay niteraka savorovoro teo anivon’ny Ankolafy telo dia nitondra fanazavana tetsy amin’ny kianjan’i Magro ireo mpitarika na ny avy amin’ny ankolafy Zafy Albert na ny avy amin’ny ankolafy Ravalomanana.

 Nambaran’ny depiote Mektoub àry fa tsy misy afaka mandray fanapahan-kevitra eny an-kianja afa-tsy ny filoha Zafy Albert ihany. Nohamafisiny fa dia manonofy izay miezaka hampisaraka ny ankolafy telo. Tsy tokony hatao hahagaga ireny SMS ireny, hoy ihany i Mektoub satria vokatry ny tahotra tsy hahazo seza. Fantatr’ireo miezaka hanasaraka ny ankolafy manko, hoy ihany ity olom-boafidy ity, fa maro ny zavatra ho rava sy ny tombontsoa ho very rehefa hitambatra Ravalomanana sy Zafy Albert. Momba ny hoe handehanan’ny profesora Zafy Albert ho any Afrika Atsimo dia nambaran’i Mektoub fa aty Madagasikara no hatao ny fihaonana. Ho an’ny ankolafy Ravalomanana izay nosoloan’ny depiote Randrianjatovo Henri tena indray dia nambarany fa tsy misy na inona na inona ho tanteraka raha tsy misy fampihavanana.

Tsy eken’izao tontolo izao ny fanonganam-panjakana, hoy izy, fa noho ny resaka fihavanana Malagasy no nanekena an-dRajoelina hitondra ny tetezamita efa hatrany Maputo. Efa diso nandefitra loatra hatramin’izay ny ankolafy Ravalomanana izay mpifanandrina mivantana amin’ny ankolafy Rajoelina ka tokony hotanterahina an-tsakany sy an-davany ilay sori-dalana, raha nanao antso avo tamin’ny praiminisitra Beriziky ity solombavambahoaka TIM voafidy tao Faratsiho. Takian’ity ankolafy ity àry ny hisiana fifandanjan-kery eo anivon’ny governemanta rehefa tonga ny fotoana hananganana azy. Tsy tokony ho latsa-danja ny ankolafy Ravalomanana. Nohamafisiny fa vonona hanampy ny praiminisitra izy ireo saingy tsy maintsy tanterahina kosa ny sori-dalana. Raha iray amin’ireo Ankolafy telo, hoy izy no tsy tafiditra ao anatin’io governemanta na ireo rafitra hajoro dia mbola ho baraingo izany fankatoavana iraisam-pirenena izany.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT