Politique

Ankolafy telo Mila fitoniana ny firenena


  • Zoma 04 Novambra 2011

Hatramin’ny fotoana nametrahan’ny governemanta Vital fialana dia ireo Sekretera jeneraly no tokony hitondra ny ministera tsirairay.

Mbola samy eo am-piandrasana izay ho governemanta vaovao rahateo ny rehetra. Nahazendana ny maro anefa ny nandre ny talen’ny kabinetran’ny ministeran’ny atitany nilaza fa misy didy navoaka milaza fa tsy azo atao intsony ny manao hetsika an-dalambe manomboka izao. Ho an’ny Ankolafy telo dia tsy manan-kery izany, hoy i Rostand Andriampilamanana, filohan’ny Filankevi-paritra Ihorombe. Nohamafisin’ny solombavambahoakan’i Faratsiho sady efa minisitry ny fanatanjahantena teo aloha, Henri Randrianjatovo, fa efa nametra-pialana ny minisitra, midika izany fa tsy manam-pahefana intsony ny kabinetrany. Tsy hitondra fitoniana kanefa takian’ny firenena amin’izao fotoana izao, hoy ihany izy.

Ankoatra izay dia nambaran’ny pastera Edouard Tsarahame fa zavatra roa no tsy maintsy tanterahina eto amin’ny firenena ato ho ato. Eo ny fampihavanana mba hialana amin’ny disadisa miverimberina matetika. Tsy ho tanteraka anefa izany raha mbola misy migadra any am-ponja sy tavela any ivelany noho ny resaka politika. Nambarany ihany koa fa tsy maintsy tafapetraka ny tetezamita iaraha-mitantana tsy misy fitaka na fihatsaram-belatsihy. Izany no hatao dia mba hahatongavana any amin’ny fifidianana marina, tena izy ary ankatoavin’ny rehetra. Notsindrian’i Mektoub Camille moa izay resaka fampihavanana izay. Nolazainy fa ireo nihinana tsy an-kiera ny volan’ny filoha Ravalomanana no matahotra ny hiverenany. Na tiana anefa na tsy tiana, hoy izy, dia tsy maintsy hiverina eto izany filoham-pirenena lanim-bahoaka izany. Nosinganiny ihany koa fa tsy ho olom-bitsy no hampiady ka mihevitra fa hahavita hampisaraka ny Ankolafy telo. Tsy azo korontanina ny fampihavanana vita teo amin’ny telo mirahalahy mpitarika, hoy izy. Na dia avy aza moa ny orana omaly dia tsy nahasakana ireo mpomba ny Ankolafy telo izany fa dia nijanona nihaino ireo lahateny nifandimbiasana tao amin’ny Mgaro izy ireo.

Nangonin’i Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT