Politique

Ankolafy Ravalomanana Toliara Miomana hiverina ao amin’ny Magro


  • Talata 11 Oktobra 2011

Nitohy tao amin’ny tokotany malalak’i Sazalahy Tsianihy ao Besasavy ny hetsiky ny Ankolafy Ravalomanana Toliara ny sabotsy 08 oktobra lasa teo.

 Nikasa ny hanatanteraka izany ankalamanjana izy ireo saingy tsy mahazo alalana ka dia amin’ity kianja besasavy ity no nifamoriana tamin’io fotoana io. Tsy nanakana ny mpitolona ho avy maro izany. Tao ny tanora, vehivavy avy amin’ireo antoko samihafa mandrafitra ny Ankolafy Ravalomanana. Ankoatra ny kabary fanentanana nataon’ireo mpitari-tolona any an-toerana dia niditra nivantana an-tariby nizara vaovao avy aty an-drenivohitra, mba tsy haha tompon-trano mihono ny zanakan’i Dada ao Toliara ireo mpitaritolona aty Antananarivo. Anisan’ireo niditra an-tariby nivantana nandritra io fotoana io i Sazalahy Tsianihy, izay nilaza fa “efa périmé ny FAT”.

Ankoatra izay dia nanome torohevitra samihafa amin’ny tohin’ny hetsika ny tenany. Ny Dr Jules Andriamaholison, depiote Tiako i Madagasikara, voafidy tao amin’ny Distrikan’Antananarivo I, no nanome toky ny mpitaky ny ara-dalàna ao Toliara fa “kely sisa dia ho tonga i Dada, fa aza matahotra”. Fantatra tamin’io fihaonana io fa hanadio ny toerana amin’ny Magro ny zanak’i Dada amin’ity herinandro ity, ka ao indray no hifamoriana aorian’ny fanadiovana, sady ho fanomanana ny fitsenana ny fiverenan’Atoa Marc Ravalomanana an-tanindrazana.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT