Ankolafy Ravalomanana Toamasina

> “Kandida depiote tena tompon’andraikitra ny anay”


  • Sabotsy 30 Novambra 2013

Miditra amin’ny fampielezan-kevitra tahaka ny kandida rehetra mpifaninana aminy ny kandida depioten’ny ankolafy Ravalomanana ao Toamasina I, tarihan-dRtoa Mahasahy Lala Chantal “laharana faha-12” ao amin’ny bileta tokana.

“Kandida depiote tena tompon’andraikitra ny kandidanay. Marina fa ho mpanao lalàna izy ireo, nefa tsy hionona amin’izany ny solombavambahoaka avy amin’ny ankolafy Ravalomanana fa hiditra lalina kokoa amin’ny fiainan’ny mponina sy ny sosialim-bahoaka”. Izay no nambaran’Atoa Manjarison mpandrindra ny ankolafy ao Toamasina I sy ireo ekipa mpiara-mitantana aminy. Nohamafisin-dRtoa Mahasahy Lala Chantal fa “nahasahy tokoa ny tena matoa miroso sy vonona ary tsy maintsy ho lany noho ny fifanampian’ny rehetra satria ny Tonga miaraka dia fanombohana fa ny miasa miaraka no fahombiazana. Omeko 90 andro ny vahoaka sy ny mpifidy aorian’ny fahalaniako sy ny fotoam-piasako, fa hiova i Toamasina satria tsy hijanona amin’ny fanaovana sy fandaniana lalàna fotsiny isika, fa hiditra bebe kokoa amin’ny sosialim-piainan’ny vahoaka”. Efa milamina ny hetsika atao rehetra, ho fampandaniana depioten’ny ankolafy sy ny kandida filoham-pirenena ny Dr Robinson Jean Louis.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT