Nijanona teo an-tokotanin’Ambodisoanambo Anjoma misy ny foibeny ny ankolafy Ravalomanana Toamasina nanao fanentanana farany omaly, raha nikasa ny hanao diabe izy ireo nentina namaranana ny fampielezan-kevitra, noho ny didy navoakan’ny Distrika, araka ny fangatahan’ny OMC.
Feno hipoka ny tokotanin’Ambodisoanambo na teo ny hakiviana sy hatezerana teo amin’ireo mpikatroka sy mpanara-dia. Nandritra izany no nilazan’ireo mpitarika ny ankolafy sy ireo vovonana manohana an’i Robinson Jean Louis ho filoham-pirenena Malagasy, fa «efa azon’ny Malagasy nampahantraina ny fandresena ankehitriny, fandatsaham-bato sisa mba ho hitan’izao tontolo izao fa fandrombaham-pahefana no natao teto ka nanapotika ny fiainan’ny firenena sy ny fiainan’ny Malagasy, ka mahatonga azy tafiditra ao anatin’ny firenena gisitra sy mahantra indrindra erantany tao anatin’ny efa-taona sy tapany monja”. Mila mailo anefa isika, hoy ny toromariky ny mpitarika satria tsy kely lalana ny ratsy, ary efa misy mikotrika hala-bato any ho any. Araho maso tsara ny fizotry ny fifidianana sy ny fanaterana ny voka-pifidianana mandrapahatongany any amin’ny SRMV.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.