Politique

Ankolafy Ravalomanana Ny mahasoa ny vahoaka ihany aloha


  • Alatsinainy 14 Novambra 2011

Nitondra hafatra sy fanazavana ho an’ny vahoakan’Antsirabe sy Madagasikara iray manontolo ny Filoha Marc Ravalomanana nandritra ny hetsika tao amin’ny Magro Avaratsena ny sabotsy 12 Novambra 2011 teo.

 Notsipihiny mazava tamin’izany fa “tsy ny seza no mahamaika ny ankolafy Ravalomanana fa ny mahasoa ny vahoaka ihany”. Notsiahiviny fa efa niteny izy fa tsy hiditra amin’io tetezamita io raha tsy mipetraka ny antoka rehetra maha fiaraha-mitantana azy, araka ny nolazainy ihany. Nolazainy ihany koa fa tokony hifandanja ny minisitra an’ny mpanohitra sy ny mpitondra amin’izao fotoana izao ka hifanasahana ny isan’ny ministera ary tokony hanana praiminisitra lefitra ny mpanohitra. Akoatra izay dia notsiahiviny fa maika sy tsy mila andraso andraso ny famoahana ireo gadra politika, ny fanokafana ireo haino aman-jery ary ny fanatanterahana ny andininy faha-20 amin’ny tondrozotra satria izay no nanasoniavana ny tondrozotra. Nitondrany fanazavana ihany koa ny resabe amin’izao fotoana mahakasika ny fanolorana anarana ho ao anatin’ny governemanta ka nilazany fa efa nifampiresaka izy sy ny Profesora Zafy Albert ka matoky ny fahendren’io raiamandreny io ny tenany ary izay no nandrafetana ireny anarana natolotra ny Praiminisitra Omer Beriziky ireny izay niarahan’i Mamy Rakotoarivelo sy ny Profesora Zafy nanantotosa. Raha tena hitady izay mahasoa ny vahoaka hoy izy, sy manana finiavana hamaha ny krizy dia tokony hapetraka izay fiaraha-miasa izay. Nanafatra ireo mpitolona manerana ny nosy ny tenany mba tsy hiato mihitsy mandrapahatafita ny tolona sy ny famerenana ny ara-dalàna eto Madagasikara.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT