Politique

Ankolafy Ravalomanana Nangina tsy nahitana teny ireo mpitarika any Ambatondrazaka


  • Alarobia 09 Novambra 2011

Taorian’ilay fanapahana navoakan’ny ministeran’ny atitany fa tsy azo atao ny manao fihetsiketsehana ara-politika ao anatin’izao vanim-potoana hananganana ny governemanta ho fampiraisam-pirenena izao dia nangina tsy nahitana teny ireo mpanao politika mpitarika ny ankolafy Ravalomanana any Ambatondrazaka.

 Manomboka tsy mitovy hevitra amin’ny fitarihana ny tolona ireo lohandohany. Ao ireo izay mihevitra fa ny fidirana amin’ny rafitra misy ankehitriny no hahafahana manohy ny tolona. Ny sasany indray dia ny baiko avy amin’ny filoha Marc Ravalomanana no tsy maintsy arahina ka na inona hidona na inona hihatra dia tsy hifampiraharaha amin’ny fitondrana FAT raha tsy tanteraka ny andininy faha-20 amin’ny tondrozotra. Mijanona ho adihevitra ihany anefa ireo fa tsy mbola tafita any amin’izay tokony hiantefany. Toa sanganehana tsy mahita izay tena lalan-kizorana hitondrana ny tolona ho famerenana ny filoha Ravalomanana eto Madagasikara ireo mpanao politika ao Ambatondrazaka fa variana mifanasa vangy fotsiny. Ireo vahoaka koa moa etsy andaniny efa sempotry ny fitadiavana ny harapaka androany ka tsy mivaky loha intsony amin’ny resaka politika. Ireo izay mahatolotolotra azy sisa no andehanany fa izay hihevitra ny hahasoa ny firenena tsy ao an-tsainy intsony. Dia valaketraka ireo mpitarika mahita izany ka mangina sy mipirina miandry izay hiafaran’ny krizy sisa.

Niry A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT