Nanao fihaonana ho azy manokana tao Ambolomadinika ny mpitolona eo anivon´ny ankolafy Ravalomanana ny sabotsy maraina teo.
Nandritra izany no nitondran´ny Me Rasamimaka Mahefalahy fanazavana mikasika ny raharaham-pirenena sy ny fivoaran´ny politika ary indrindra ny mikasika ireo kandida praiminisitra natolotry ny ankolafy Ravalomanana. Be ny ahiahin’ny mpitolona sy ny hevitra tsy nazava izay nilana fanazavana sy fampitam-baovao. Nisy rahateo ny hafatra avy amin´ny filoha Ravalomanana nampitaina tamin´ireto mpitolon´ny ankolafiny ireto, izay nilazany fa «olona heverina fa hitondra sy hametraka ny tena fitiavan-tanindrazana ary hamaha tanteraka ny olan´ny firenena ireo olona natolotry ny ankolafintsika ireo. Ny fiaraha-miasa akaiky amin´izy ireo no tokony hohamafisina izao, satria raha ny tondrozotra nifanekena dia avy aty amintsika ny ho praiminisitra».
Tao anatin´ny ora roa sy sasany nifanakalozan-kevitra sy nifampitam-baovao ary nifanazavana, dia nilaza ho samy afa-po ny rehetra izay nambaran´ny Me Rasamimaka Mahefalahy fa «tsy mahara-baovao ny mpiara-mitolona, ka rariny ny azy ireo raha be ny tsy fahafantarana sy ny ahiahy tao anatiny. Mazava izany ankehitriny fa samy mbola vonona avokoa ny rehetra hitolona ary tsy hiala an-kianja raha tsy efa tratra ny tanjona, dia ny fametrahana ny praiminisitra avy amin´ny ankolafy ary ny fiverenan´ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana». Mitohy hatrany isaky sabotsy ao Ambolomadinika ny fihaonana manokana eo amin´ny ankolafy Ravalomanana, mba hifampitam-baovao eo amin´ny samy mpitolona, na hitondran´ny filoha Ravalomanana ny hafatra ho azy ireo ihany koa amin´ny fomba hitondrana ny tolona manomboka izao.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.