Politique

Ankolafy Ravalomanana Miandry ny Troika


  • Alatsinainy 03 Oktobra 2011

«Miandry ny fombafomba ambaran’ny Troika ary ny fifampifehezana anaty no tsy nahitana anay tamin’ny dinik’ireo nanao sonia ny sori-dalana», hoy ny solombavambahoaka teo aloha Ravelonanosy Mamitiana, avy amin’ny ankolafy Ravalomanana.

 Araka ny fanazavany ihany dia tsy misy antony mahamaika hanao izany fihaonana izany satria ny Troika no hisahana ny fombafomba enti-mampihatra iny sori-dalana iny. Tsy andraikitry ny ekipa mpanelanelana intsony izany manomboka eto ny asa manaraka. Izay zavatra hampiharina eo dia tsy maintsy mbola handalo eo anatrehan’ireo filoham-panjakana eo anivon’ny SADC. Raha ny fahitan’ity olomboafidy ity, tokony hampiharina an-tsakany sy an-davany izay voarakitra ao anatin’ilay sori-dalana nosoniavina. Anisan’izany, ohatra, ny praiminisitry ny marimaritra iraisana dia tsy tokony ho olona miray firehana amin’ny FAT. Andrasana manomboka eto ny fampijoroana ireo rafitra eken’ny rehetra hitondra any amina fifidianana marina, mangarahara ary azon’ny rehetra antoka ka hankatoavina.

 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT