Politique

Ankolafy Ravalomanana Hanara-maso ny fampiharana ny sori-dalana


  • Alakamisy 03 Novambra 2011

Nohamafisin’i Leriva Manahirana tao amin’ny Magro omaly fa tsy ny ankolafy Zafy Albert na ny profesora Zafy Albert no kianin’ny ankolafy Ravalomanana manoloana ny fanendrena ny praiminisitra fa ny fomba nanaovana ilay fanendrena dia ny fanitsahana ny andininy faha-5 amin’ilay sori-dalana.

 Tsy eken’ny ankolafy Ravalomanana izany, hoy ity solombavambahoakan’i Brickaville teo aloha ity. Raha izao vao miandoha izao isika dia efa mibirioka, hoy izy dia tsy hisy zavatra hanjary eto ka tsy azo ekena. Izany no nahatonga ny ankolafy Ravalomanana tsy nanatrika ny famindram-pahefana teny Mahazoarivo, raha ny fanazavana ihany. Hatreto aloha dia mbola mitombina sy mipetraka ny fangatahan’izy ireo momba ny fampiharana ny andininy faha-5 ao anatin’ilay sori-dalana ary dia mbola miandry izay toromarika avy amin’ireo raimandreny ihany koa. Ny solontenan’i Moramanga moa dia nanitrikitrika fa mbola lalan-tokana ihany no nataon-dRajoelina fa tsy niaraha-manana na tenierana.

Ny filohan’ny FAT rahateo no niteny tamin’ireo haino aman-jery sy ny gazety fa izy tenany samirery no nanao iny fanendrena praiminisitra iny. Rehefa tsy tanteraka ny sori-dalana, hoy ihany i Ignace solontenan’i Moramanga dia tetezamita tsy misy an-dRajoelina no apetraka eto Madagasikara. Nohamafisin’i Edouard Tsarahame rahateo moa izany. TSAR (tetezamita tsy misy Andry Rajoelina), hoy izy no tanjona ary ny tolona dia iarahana hatramin’ny farany. “Tsy mampaninona anay izay olona napetraky ny profesora Zafy”, hoy kosa ny depiote Rodin Rakotomanjato saingy raha olona nampitondra na hampitondra fahoriana sy faisana ny vahoaka dia mipoa-tsatroka izahay satria dia hasiaka ny vahoaka, hoy izy. Nanambara moa i Zafilahy Stanislas fa dia hiaraka hanara-maso ny fampiharana ny sori-dalana miaraka amin’ny profesora Zafy Albert izy ireo ka raha zavatra hafa no hotanterahina dia tsy azo ekena izany.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT