Notendren’ny filoha Marc Ravalomanana ho lehibe hitarika ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana Atoa Roland Ravatomanga, minisitry ny fiompiana ao anatin’ny governemanta iraisana. Manankery nanomboka omaly 03 janoary 2014 io fanendrena io. Nisy mihitsy ny fanambarana voasonian’ny filoha Marc Ravalomanana sady filoha mpitarika ny ankolafy Ravalomanana manamafy izany, fa manomboka izao dia Atoa Roland Ravatomanga no solontena ofisialin’ny prezida Marc Ravalomanana amin’izay sehatra ilana izany.
Nangonin’i JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.