Efa hempaky ny jaly ny vahoakan’Antsiranana tao anatin’izay efa-taona maherin’ny tetezamita izay.
Potika ny fiarahamonina, tsy nitsahatra nitotongana ny faripiainan’ny vahoaka, mihemotra ny fahaizan’ny ankizy, manjaka ny tsy fandriampahalemana ary mandry andriran’antsy ny mponina, marary ny toekarena, hany ka fatiantoka iray lavaka hatrany ny an’ny mpandraharaha na miezaka mba mihoitra aza. Tsaroan’ny vahoaka ankehitriny ny hamamin’ny zava-bita tamin’ny fitondran’i Marc Ravalomanana, na teo amin’ny fotodrafitrasa izany raha tsy hitanisa afa-tsy ny fahavitan’ny lalam-pirenena faha-6 sy ireo lalana ao an-tampon-tanànan’Antsiranana. Teo amin’ny resaka fandriampahalemana dia voafehy ny “Foroches” tamin’izany. Toy izany koa ny zavatra ilaina amin’ny fiainana andavanandro, nisy izay nilaina ary voafehy ny vidiny. Mila olona hiaro ny tombontsoany sy afaka hisolovava azy ny vahoakan’Antsiranana ankehitriny. Tafaray ny tia sy manina. Ny hamerina sy hanohy izay fampandrosoana nataon’i Dada tao Antsiranana izay indrindra no nijoroana sy mbola ijoroan’i Zafitoto Jean Clarel.
Zanaka mahatoky, mahalala tsara ny olana sy hetahetan’ny vahoaka izy ary tsy nivadi-belirano tamin’i Marc Ravalomanana. Zanak’i Dada hiringiriny i Zafitoto Jean Clarel, izy no kandidan’ny Ankolafy Ravalomanana ao amin’ny Distrikan’Antsiranana I amin’ny fifidianana solombavambahoaka hatao amin’ny 20 desambra 2013 izao, miaraka amin-dRandriamitantsoa Valanirina Harimanitra, Sikazinony Delphine, Vonimanitra Nathalie ary Tomboravo Antoinette, mpiray lisitra aminy. Roa no tanjona, hoy i Clarel dia ny hampandresena ny Dr Robinson Jean Louis izay hanatanteraka ny fandaharan’asa efa natombok’i Dada niainga tamin’ny MAP sy hamerina an’i Dada an-tanindrazana ary koa ny hahazoana maro an’isa eo anivon’ny Antenimieram-pirenena hahamarin-toerana ny fitondrana hahafahana miasa sy manatanteraka ny hetahetam-bahoaka, indrindra ho an’Antsiranana I. “Diégo paré, Clarel décidé”, hoy izy tamin’ny teny feno fahavononana sy fanantenana tokoa.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.