Politique

Ankolafy Rajoelina : Tsy nahazo rariny tamin’i Jean Ping ?


  • Sabotsy 23 Janoary 2010

Hatramin’izao dia tsy niova tamin’ny heviny ny GIC fa ny fampiharana ny satan’i Maputo sy ny fifanarahana tany Addis Abeba ihany no lalana tokana hivoahan’i Madagasikara amin’ny krizy, tsy azo ekena ny resaka hafa ankoatra izay.

Voatazona amin’ny toerany avokoa noho izany ireo filoha mpiara-mitantana 2, dia i Fetison Andrianirina sy Emmanuel Rakotovahiny, toy izany koa ny Praiminisitra Mangalaza Eugène, ny filohan’ny CNR Zafy Albert ary ny filohan’ny kongresin’ny tetezamita, Mamy Rakotoarivelo. Efa nanambara avy hatrany, ary tsy niandry ela ny ankolafy Rajoelina fa tsy mety aminy izany satria tsy azo eritreretina intsony ny fiaraha-mitantana ny tetezamita miaraka amin’ireo ankolafy 3, araka ny hevitry ny mpitondra ny tetezamita amin’izao fotoana.

 
Nisy ny fihaonana manokana teo amin’i Jean Ping sy i Andry Rajoelina teny amin’ny lapan’Ambohitsorohitra, saingy raha ny tsilian-tsofina re dia tahaka ny resaky ny moana sy ny marenina ihany no nitranga teny, satria ny voalohany mandrangaranga ny fampiharana ny satan’i Maputo, ary ny faharoa kosa miziriziry ny amin’ny hanafoanana izany. Araka ny resaka mandeha etsy sy eroa dia nambaran’i Jean Ping tamin’i Andry Rajoelina fa tsy kilalaon-jaza tsy akory ny fitantanana izany tetezamita izany, ary rehefa misy fifanarahana nosoniavina dia tsy maintsy tanterahana izany . Tsy nandà ny hanasonia ny satan’i Maputo sy ny fifanarahana tovana tany Addis Abeba mihitsy mantsy i Andry Rajoelina kanefa nivadika izy rehefa tonga teto Madagasikara, ary tsy nety nampihatra sy nanatanteraka ny zavatra nosoniaviny an-kalalahana tsy nisy teritery. Araka ny fandinihan’ny mpahay politika azy dia mety ho tavela irery eo ary hahilika tanteraka amin’ny fitantanana ny tetezamita ny ankolafy Rajoelina raha mbola miziriziry amin’ny heviny sy mifikitra be loatra amin’ny sezany. Tsikaritra ihany koa fa efa manomboka resy lahatra amin’ny foto-kevitra ijoroan’ireo ankolafy 3 ny vondron’ny mpanelanelana, ka mety azo eritreretina fa tsy hanisy olana izy raha toa ka ireto ankolafy 3 ireto no mitantana ny tetezamita rehefa tsy vonona ny hiara-hiasa ny ankolafy Rajoelina.
 
 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT