Niverina nifampidinika ny ankolafy Rajoelina, tsy arakaraka ny nanaovany fanambarana milaza fa tapaka ny fiarahana amin’ny ankolafy telo.
Fanambarana nohamafisina tamin’ny famoahana didy hitsivolana 2009-012 tamin’ny 18 desambra 2009 mandrava sy manafoana ireo fifanarahana sy satan’ny tetezamita tany Maputo sy ny tovana tany Addis Abeba. Ny zava-misy anefa dia tonga namaly ny fanaikana fivoriana ataon’ny Groupe International de Contact tao amin’ny Carlton nanomboka ny Alakamisy 21 janoary 2010 ny ankolafy Rajoelina, notarihin’ny lehiben’ny delegasiona sady Praiminisitra lefitra misahana ny raharaham-bahiny, Ny Hasina Andriamanjato. Omaly tamin’ny fiafaran’ny tolakandro izy ireo no tonga nihaona tamin’ny GIC tarihin’i Jean Ping tao amin’ny Carlton. Delegasiona notarihin’i Ny Hasina Andriamanjato ary nahitana ny Pr Tehindrazanarivelo Alain (Praiminisitra lefitra misahana ny fahasalamana), Norbert Lala Ratsirahonana (Mpikambana HAT sady mpanolotsaina manokan’i Andry Rajoelina), Hajo Andrianainarivelo (Minisitry ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany), Haja Resampa (Sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita), Annick Rajaona (Mpitondra tenin’i Andry Rajoelina) ary i Zaza Ramandimbiarison (Talen’ny kabinetran’i Andry Rajoelina). Ny maraina no efa nialoha lalana azy ireo tao amin’ny Carlton nihaona tamin’i Jean Ping Ingahy Norbert Lala Ratsirahonana na tsy mbola voalahatra ho anisan’ny olona noraisin’ity iraky ny Firaisambe Afrikanina ity aza izy tamin’io fotoana io. Niteraka resabe teo anivon’ny mpanara-dia an-dRajoelina ity fandraisan’anjaran’ny ankolafy Rajoelina indray amin’ny dinika tarihin’ny GIC ao amin’ny Carlton ity. Mety ho izay koa angamba no tsy nahatao anaty delegasiona tonga tao amin’ny Carlton an’i Alain Ramaroson, izay nandray anjara hatrany tamin’ny dinika indroa miantoana tany Maputo sy ny tany Addis Abeba. Ho azy ireo dia midika ho fiverenan-dalana, mitory tsy fahatokisan-tena sy tsy fahamatorana ny fanekena hifampidinika indray. Ny hafa aza mandika izany ho tsy fananana foto-kevitra mazava nefa koa azo adika fa tapi-dalan-kaleha indrindra amin’ny fitadiavana lalam-bola hampihodinana ny asam-panjakana sy hiantohana ny fanatanterahana fifidianana. Ny sasany indray dia mandika mihitsy ity fiverenan’ny ankolafy Rajoelina hifampidinika ity ho fivadiham-pitokisana amin’ny mpiara-mitolona.
Marihina fa nialohavan’ny fifampiresahana teo amin’i Andry Rajoelina sy Jean Ping, tao Ambohitsorohitra, ny fihaonan’ny GIC sy ny ankolafy Rajoelina, fihaonana vao mainka nanamafy ny ahiahin’ny mpanohana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, izay efa mivakivaky rahateo.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.