Ankolafy Rajoelina

> Miady an-trano tanteraka


  • Zoma 15 Novambra 2013

Na sinema na tena izy ! Ny tsapa aloha dia mikorontana ambony ambany ny ankolafy Rajoelina. Very fanahy mbola velona toa valala voatango ireo ambara fa mpitolona nitaky ny fanovana tamin’ny 2009, tsy mahalala izay tokony hataony intsony.

Nitsipa-doha ny lakana nitany ilay kandida noheverina fa handray ny fanilo avy any amin’ny filohan’ny tetezamita. Vaky tanteraka ny ady, ka na ny onjampeo, na ny gazety na ireo tranokala mpampita vaovao akaiky ny ankolafy Rajoelina dia manakiana mafy dia mafy an’i Hery Rajaonarimampiana, ankehitriny. Tsy “Hery vaovao” izany io fa “Hery tonta”, hoy ny sasany, ny hafa indray manizingizina fa tsy nahazo na dia 2% akory aza ity kandida ity raha toa ka tsy nanampy azy ny ankolafy Rajoelina. Tsy fantatra marina aloha izay nanjo tampoka an’ingahy minisitry ny vola teo aloha, fa dia fa dia tena mitombina ny filazana fa nitsipa-doha laka-nitana izy. Tsy fantatra koa anefa izay mahatonga an’Atoa Andry Rajoelina hiteny tampoka fa manohana ny kandidan’ny “Hery Vaovao” izy. Fa na ahoana na ahoana ambara aloha dia ampy hitsarana ny tsy fahamatorana ara-politikan’ny ankolafy Rajoelina iny tranga iny, ary mbola nanaporofo indray fa tsy mendrika ny hitantana firenena ity ankolafy ity raha ny amin’izao fotoana aloha no resahana, tsy fantatra ny mety ho fiovana any aoriana. Efa niaraha-nahita ihany ny gaboraraka nandritra ny tetezamita, ny firoborobon’ny afera maizina isan-karazany, izao dia miharihary tahaka ny tafika andrefan-tanana ny fifandirana amin’ireo samy ngeza ao anatin’ny ankolafy Rajoelina. Tsy mbola mivoaka amin’ny fomba ofisialy akory ny voka-pifidianana fihodinana voalohany dia efa izao ny zava-mitranga, ka aorian’ny fihodinana faharoa angamba dia mety hifanenjika manerana ny tanàna ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ity ankolafy ity satria samy te hiravaka ny vangim-boay daholo. Tsy hita taratra amin’izao fihetsiky ny ankolafy Rajoelina izao mihitsy ny fahamatorana ara-politika, ny fifanajana, ny fifandeferana, ny resaka fihavanana izany moa dia toa voambolana tsy fantatr’ity ankolafy ity mihitsy ; tsy mahagaga raha tsy manaiky mihitsy ny hihavana amin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana i Andry Rajoelina sy ny mpiara-dia aminy, satria na izy samy izy aza izao hita fa tsy mahay mifanaraka.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT