Manomboka mameno ny rindrina ankehitriny ny afisin’ireo kandida solombavambahoaka miaraka amin’ny prezida Andry Rajoelina (MAPAR), ary dia notanterahana ara-bakiteny io anarana io satria miaraka amin’ny sarin’ilay kandida solombavambahoaka ny sarin’ny filohan’ny tetezamita.
Midika izany fa na tsy miteny mivantana aza ny filohan’ny tetezamita dia efa tena manao propagandy mivarotra ny tenany sy ny sariny mba hampandaniana ireo kandidan’ny MAPAR. Toa nampandeferina mihitsy ny fanohanana an’i Hery Rajaonarimampianina fa ireo kandida depiote no tena atosika mafy. Manomboka mazava ihany ny paikadin’ny ankolafy Rajoelina fa mety hiezaka hanana ny maro an’isa eny amin’ny Antenimieram-pirenena izy ireo, satria mety efa mahatsapa fa tsy maintsy ny Dr Robinson Jean Louis no ho lany ho filoha eo. Raha mahazo ny maro an’isa ao Tsimbazaza tokoa anefa ny MAPAR dia hikatso indray ny firenena satria dia hibahana fotsiny izao ny asan’ilay filoha ireo maro an’isa ireo, dia hiverina indray ny krizy politika. Ary raha ny fahafantarana azy ireo hatramin’izay dia vitan’ny ankolafy Rajoelina mihitsy izany fampikatsoana izany raha toa ka izy no manana ny maro an’isa eny Tsimbazaza. Raha sanatriavin’ny vava ka Atoa Hery Rajaonarimampianina indray no lasa filoham-pirenena, dia mazava ny resaka fa tsy hisy zava-baovao izany eto, fa mitohy ny gaboraraka sy ny fandrobana manara-penitra ny harem-pirenena, tahaka ny hita teto nandritra ny efa-taona. Fantatry ny rehetra tsara ireo manampahefana ambony, mpandraharaha mpanefoefo voatonontonona tamina afera maizina nandritra izao fitondrana tetezamita izao. Ka raha mbola mahazo fahefana ho amin’ny 5 taona manaraka indray ireo olona ireo, dia asa fotsiny fa dia ho potika tanteraka mba tsy hilaza fa dia ho lafo ambongadiny angamba i Madagasikara.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.