Hatramin’ny nahavitan’ny fihodinana voalohany no nanomboka nifanatona, niresaka nifanazava ary nifanaiky fa hanambatra ny heriny ka hiara-dia indray ny ankolafy Rajoelina, amin’ny ankapobeny.
Na dia ireo nifandramatra sy nifanala baraka imasom-bahoaka, an-gazety sy tamin’ny haino aman-jery aza dia toa efa niverina nifampiresaka tsara indray ankehitriny. Nisy ireo nilokaloka fa hoe tsy handingana ny vavahadin’Ambohitsorohitra intsony raha mbola i Andry Rajoelina no filoha, ankehitriny anefa tazana mivoaka miditra io lapam-panjakana io izany olona namoaka vava be izany. Manomboka mivoaka ny tsiambaratelo any anaty fivoriana any, fa hoe tsy maintsy hikaroka ny fomba rehetra hitazonana ny fitondrana, hono, ry zareo ka hampiasaina ny fomba sy ny tetika rehetra hampandaniana ny kandidam-panjakana amin’ny fihodinana faharoa. Toy ny fanokafam-bavony fotsiny ny tamin’ny fihodinana voalohany iny, raha ny tsiliantsofina re fa any amin’ny fihodinana faharoa vao tena hitobaka ny vola be sy ny fitaovana hanamafisana ny propagandin’ity kandida iray ity. Hita taratra avy amin’izany fa tena tsy niova mihitsy ny foto-kevitra ijoroan’ny ankolafy Rajoelina fa vao mainka amin’ny fandrombaham-pahefana. Tamin’ny 2009 dia efa nanaiky ny hanaovana fitsapan-kevi-bahoaka ny filoha Marc Ravalomanana, efa nivonona ny hanao fifidianana filoha mialoha ny fotoana ihany koa, saingy tsy nahandry izany i Andry Rajoelina sy ny ekipany fa dia iny nanongam-panjakana iny. Ankehitriny dia natao ny fifidianana, mety efa mahafantatra ny mety ho vokatr’izany angamba ny sasany, ka io fa efa miketrika sahady ny handrombaka fahefana indray. Mazava ny resaka izao fa mba fihetsiketsehana sy sinema fotsiny ny nananganana ilay Kianjan’ny demokrasia teny Ambohijatovo fa raha ny tena marina dia tsy mahazaka, tsy mahatanty izany demokrasia izany mihitsy ny ankolafy Rajoelina.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.