Politique

Ankolafy 3 : Nitohy hatrany ny hetsika


  • Alakamisy 21 Janoary 2010

Andro faha-4 amin’ny fihaonan’ireo ankolafy 3, dia ny ankolafy Ravalomanana, Ratsiraka ary Zafy Albert, mivondrona ao amin’ny ankolafy Madagasikara, ny omaly. Toa nifampiandriandry fotsiny anefa na ireo miaramila na ireo mpanao fihetsiketsehana.

 

Tsy nisy aloha omaly ny sakoroka sy ny fisamborana. Ny teny Anosy moa dia efa voahodidina miaramila vao maraina ka tsy nahafahan’ireo mpanao fihetsiketsehena naneho ny heviny. Rehefa tsy tafiditra teny amin’ny zaridainan’Anosy ireo mpomba ny ankolafy 3 dia nikisaka teny amin’ny zaridainan’i Mahamasina. Nanodidina ny tamin’ny 3 ora teo ho eo dia efa vory avokoa ireo vahoaka. Tazana teny an-toerana koa ny ampahany amin’ireo mpikambana eny anivon’ny kongresy. Rehefa vory ny olona dia nisy ny karazana fifanentanana sy fifampizarana vaovao kinanjo nanao be midina tamin’ny fiarabe sy fiara tsy mataho-dalana ireo mpitandro ny filaminana nirongo fitaovam-piadiana sy nisaron-tava. Nihorohoro ny ankamaroan’ireo vahoaka ka vaky nandositra ny sasany. Ny sasany kosa nijanona teny an-toerana ihany. Tsy nisy aloha ny sakoroka, hiram-bavaka rahateo no nampaherezan’ireo vehivavy ireo miaramila izay lasa nitsaitsaika nifindra toerana avy eo. Ny orana rahateo nilatsaka. Tsy nisy niala anefa ireo vahoaka mbola tavela teo fa nanohy hatrany ny hira. Fa tamin’ny minitra fohy nahafahan’ireo parlemantera nifampiresaka tamin’ireo vahoaka no namantarana fa tsy hijanona intsony ny hetsika na dia eo aza ny ramatahora ataon’ireo miaramila. Mbola hifanome fotoana izy ireo anio. Araka ny fantatra dia anio ihany koa no hahatongavan’Ingahy Jean Ping mitarika ireo mpanelanelana iraisam-pirenena. Araka izany dia nanentana ireo rehetra mitady filaminana ka mitaky ny hampiharana ny satan’i Maputo sy Addis Abeba ireo mpitari-tolona ho tonga maro eny Anosy amin’ity anio ity fa hisy toromarika manokana, araka ny vaovao. Fa zavatra iray nanintona ny maso teny Mahamasina ihany koa omaly, nisy fiara Mercedes iray nosavain’ireo mpitandro ny filaminana nihaodihaody. Olona 3 mirahalahy no tao anatin’io fiara io, nidiran’ireo mpitandro ny filaminana avy hatrany. Raha nanontanian’ny mpanao gazety moa ireto voasava dia nolazain’ireo nisaron-tava fa “efa nahazoana renseignement ny momba anareo” ka izay no nisavana azy ireo. Nosavaina avokoa ny fiara, ireo kitapo saingy tsy nahitan’ireo mpitandro ny filaminana na inona na inona ka dia niveri-maina ireto farany.
Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

  • KOLONELY PATRICK
  • Zoma 17 Aprily 2026

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Nomena ny TIM ny fitantanana

  • Kolonely RANDRIANIRINA MICHAEL
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Indroa saika hisy hamono

  • FIKAONANDOHA, FANAVAOZANA
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila mafy amin’ny serasera ny fanjakana

Hijery ny tohiny
FTT