Politique

Ankolafy 3 Miomana amin’ny fahatongavan’ny delegasion’ny Troika


  • Talata 11 Oktobra 2011

Faritra maromaro no nahatonga solontena tao amin’ny Kianjan’ny Magro Behoririka omaly.

 Anisan’ireny Mahajanga, Manakara, Antsiranana, Toliara. Ireo rehetra nandaha-teny dia samy nilaza fa efa kely sisa ny fetrandron’ny FAT. Mila mivonona amin’ny fiavian’ny filoha mirahalahy eto an-tanindrazana sy ireo sesitany politika hafa. Faranana amin’ny volana oktobra 2011 ity ny krizy, hoy i Jeanson avy amin’ny MFM. Herinandro ho kihon-dalana goavana ho an’i Madagasikara ity herinandro ity, raha ny fanazavany. Fantatra manko fa ho tonga eto amintsika rahampitso alarobia ry zareo avy amin’ny Troika izay hialohavan’ny iraka avy amin’ny filankevi-pilaminan’ny SADC.

Tsy miaramila hampihorohoro ireo, hoy ihany ity solontenan’ny MFM ity fa handamin-draharaha. Raha ny fahitan’ny pastera Edouard ny mety ho tohin’ny raharaha aorian’ny fandalovan’ireo delegasiona ireo dia ho rava ny governemanta Vital, ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita najoron’ny FAT ka hapetraka ny tetezamita tena izy izay hiaraha-mitantana. Manoloana izany indrindra no nanentanan’ireo rehetra nandaha-teny ny amin’ny fifamotoanana eny Ivato ny alarobia ho avy izao. Haneho ny heriny sy ny fitakiany, araka izany, ireo mpiara-dia amin’ny Ankolafy 3.

Ao anatin’izany ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana tsy misy fepetra an-tanindrazana. Ara-dalàna, hoy ireo mpitarika eny amin’ny Magro ny hahatongavana miaramila avy amin’ny SADC eto amintsika satria mpikambana feno, mizaka ny zo sy ny tombontsoa rehetra toy ny firenena mpikambana rehetra i Madagasikara, hoy i Camille Mektoub. Nanazava ny mety ho antony hahatongavan’ireo iraky ny SADC ireo moa ny tenany. Ao anatin’izany ny hampahafantatra ny miaramila Malagasy ny andraikitra tokony hosahaniny. Nambarany koa fa tsy mahasakana na manohitra ny fampidiran’ny SADC miaramila eto amintsika ny firenena mikambana satria tolo-kevitry ny ONU ny nidirantsika ho mpikambana eo anivon’ny SADC ary mifototra amin’ny resaka diplaomasia sy politika, toekarena, ary fiarovana ny fifanarahana amin’izany.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT