Politique

Ankolafy 3 Eny Ivato anio


  • Alarobia 12 Oktobra 2011

Fotoan-dehibe anio ho an’ny Ankolafy telo sy ireo mpiara-dia aminy. Raha ny fantatra dia hifamotoana eny Ivato izy ireo hitsena ireo delegasiona avy amin’ny Troika-SADC amin’ity anio ity.

 Io fotoana io no hanehoan’izy ireo amin’ireo mpanelanelana fa mitaky ny fiverenan’ireo filoha mirahalahy izy ireo, hanehoany ny heriny ihany koa. Efa tapitra mantsy ny kolikoly sy ny firaisana petsapetsa ary ny fivadibadihana, hoy i Guy Maxime Ralaiseheno, Ben’ny tanànan’Ankaraobato raha nanentana ireo mpiara-dia aminy ho eny Ivato izy. Politikan’ny Frantsay izany, hoy izy fa ny zanatany anglisy tsy amin’izany, raha nilaza ny momba ireo firenena eo anivon’ny SADC sy ny mpitarika ny Troika. Tamin’ny dian’ireo iraky ny FAT tany Pretoria, hoy izy, dia nihevitra izy ireo fa mbola afaka milaza izay tiany holazaina izy ireo kinanjo niara-novoriana ireo ankolafy rehetra ka nihidy tanteraka ny varavarana. Nanao antso avo tamin’ireo mpanao politika manohana ny FAT moa ny tenany mba hanaiky resy.

Tsy azo ekena intsony, hoy ity Ben’ny tanàna ity ny fisiana mpanao politika mamadika ka dia hifampitsara eto isika. Ankoatra izay dia fantatra ihany koa fa hanao fanambarana goavana ny Troika ny zoma ho avy izao raha tsy misy ny fiovana. Nambaran’i Guy Maxime Rakaiseheno àry fa hatreto dia tsy misy fanjakana eto fa vao hametraka izany ny Malagasy ato ho ato. Raha ny voalazan’ny andininy faha-30 ao amin’ny sori-dalana mantsy, araka ny fanamafisana nataon’ny depiote Mamitiana Ravelonanosy dia tsy manan-kery avokoa izay rehetra natao teto hatramin’izay. “Mangoron’entana ny FAT noho izany”, hoy izy. Nambarany ihany koa fa tokony hibaboka ireo nanao ny tsy nety.

Ankoatra izay moa dia takian’ireto mpanao fihetsiketsehana etsy amin’ny Magro ireto fa tsy tokony hiverina any amin’ny taniny ireo eo anivon’ny Troika-SADC raha tsy tafapetraka daholo ny rafitra rehetra mba tsy hisiana fandikana vilana indray. Nangataka koa izy ireo ny hanalalahana ny fanehoan-kevitra amin’ny alalan’ireo haino aman-jerim-pirenena sy ny fisokafan’ireo onjam-peo nakatona sy nodorana toy ny Radio Fahazavana, ny radio MADA, ny MBS, ny Radion’ny Gasy, sy ny maro hafa. Tetsy andanin’izany dia fanontaniana no napetraky ny depiote Mektoub Camille manoloana ny fihetsik’ireo mpiasampanjakana ambony na ny “Grand corps de l’Etat”. “Taiza ireo mpiasam-panjakana ambony ireo tao anatin’izay 2 taona mahery izay, no izao vao mihetsika ?”, hoy izy Nahoana no moana sy jamba izy ireo ka tsy niteny nanoloana ny fanendrena ireo filohan’ny Faritra izay tokony ho anjara asan’ny administratera sivily ? Taiza koa izy ireo amin’ny fanaparam-pahefana misy sy ny vokatry ny famarotana tany ao Mahajanga ? Tsotra ny resaka, hoy i Mektoub : mbola ny Frantsay sy Rajoelina no ambadik’ireo. Tsikaritra, hoy izy fa rehefa ho avy eto ny SADC sy ny Troika dia miezaka mihetsiketsika foana ireo sokajina mpiasam-panjakana ireo. Tsy voasoratra ao anatin’ny sori-dalana, hoy hatrany i Mektoub ny filazan’ireto mpiasam-panjakana ireo fa olona mahafehy ny asam-panjakana no tokony ho praiminisitra. Tsy maintsy hirosoana koa ny fampihavanna, hoy ihany i Camille Mektoub. Tsy zakan’ny FAT anefa ny mahita an’Atoa Marc Ravalomanana sy Pr Zafy Albert nihavana satria hivoitra ary hivaivay ny fitiavan-tanindrazana. Raha tafapetraka izany dia ho vaky avokoa ny sakana rehetra.

Nangonin’i Soa
Sary : Fanentanana tao amin’ny Magro omaly (sary : Rakotobe)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT