Politique

Ankolafy 3 Aoka tsy handringa ny fampiharana ny sori-dalana !


  • Alakamisy 20 Oktobra 2011

«Ny fanendrena praiminisitra sy ny fampiharana ny andininy faha-20 no tsy maintsy vita mialoha ny 1 novambra », hoy ny solontenan’ny Ankolafy Ravalomanana tetsy amin’ny kianjan’ny magro omaly.

 Mila miara-vita ireo, hoy i Jeanson avy amin’ny MFM, raha nitatitra ny tenin’ny minisitry ny fiaraha-miasa afrikanina tatsimo, Marius Fransman teny amin’ny Colbert tamin’ny fotoana nanasoniavan’ireo mpanao politika ny drafitra fampiharana ny sori-dalana. Araka izany, raha ny fanazavana dia mila miverina an-tanindrazana ireo filoha mirahalahy, Ratsiraka sy Ravalomanana mialoha io fiandohan’ny volana novambra io. «Tsy handefitra ary hasiaka amin’izany ny ankolafy Ravalomanana», hoy ihany i Jeanson. Ny fodian’ireo filoha roalahy sy ny fiarahan’ireo filoha telo no ho fahombiazana sy fandrosoana.

Tsy mila mandringa ny fampiharana ny sori-dalana, araka ny fanazavana ihany. Nohamafisin’ireo rehetra nandaha-teny teny an-kianja moa fa be loatra ny fandikan-dalàna ataon’i Andry Rajoelina sy ny FAT na dia nanao sonia ilay sori-dalana aza izy ireo. Anisan’izany, ohatra, ny fampiantsoana fivoriana natao ho an’ireo ao amin’ny CT sy CST, hoy ny solombavambahoaka Henri Randrianjatovo, ny fandikana vilana ilay sori-dalana ny momba ny hoe fanitarana sy fanavaozana ireo mpikambana ao amin’ny CT sy CST. Ankoatra izay dia efa tokony nanao famindram-pahefana tamin’ireo Sekretera jeneraly avokoa ireo minisitra rehetra, hoy i Tabera Randriamanantsoa kanefa tsy izany no mitranga fa mbola mibodo toerana amin’ny birao ihany izy ireo

. Nasiana resaka tetsy amin’ny kianjan’i Magro ihany koa ny raharahan’ny Kaominina an-drenivohitr’i Toamasina izay nampiatoana tamin’ny asany ny Filohan’ny delegasiona manokana, araka ny fanapahan-kevitry ny Filankevitra monisipaly. Tsy ny Ben’ny tanàna napetraky ny FAT ihany no tokony hoesorina, hoy ny solombavambahoaka Rodin Rakotomanjato fa eo koa ireo Lehiben’ny Faritra izay olon’ny FAT avokoa kanefa tokony hapetraka hatrany ny fiaraha-mitantana. Somary henjankenjana ny lahateny teny amin’ny kianjan’ny Magro omaly tolakandro. Nohizingizin’ireo mpiara-dia ny Ankolafy telo fa tsy hanaiky an-dRajoelina hitondra ny tetezamita iraisana izy ireo noho ny tsy fanarahan-dalàna nataony, araka ny tenin’ny solombavambahoaka Camille Mektoub.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT