Politique

Ankazondandy Miomana hitsena an’i Dada


  • Zoma 07 Oktobra 2011

Manetsika sy manomboka manaitaitra ireo mpikambana eny ifotony ny Tiako I Madagasikara sy ny ankolafy Ravalomanana amin’ny fanomanana ny fitsenana ny fiverenan’i Dada an-tanindrazana.

 Nisy fanentanana mikasika izany tao Ankazondandy omaly alakamisy. Andro tsena tamin’io, ka dia vory maro ny olona. Nisy delegasiona avy aty an-drenivohitra, nahitana an’i Zafilahy Stanislas, Ravelonanosy Mamitiana ary koa ny depioten’Avaradrano teo aloha Rakotoarisoa Etienne. Nandritra io fotoana io no nanaovan’i Zafilahy tsiahy ny asa fampandrosoana nataon’ny filoha Ravalomanana sy ny antony ijoroana amin’izao fotoana, hanoherana ny famotehana ny firenena ataon’ny mpanohariana sy ny fahavalom-pirenena. Nataon’ny sasany indrindra ireo mpamadika ny nandoto an’i Marc Ravalomanana, hoy i Zafilahy fa mijoro izahay ary ny 80%-n’ny Malagasy ankehitriny no mitaky ny hiverenan’i Dada. Milaza izany rahateo ny tondrozotra natao sonia farany teo. Hitohy ao Ambatomanoina mbola amin’iny distrikan’Anjozorobe iny ihany ny fanentanana amin’ny alakamisy heriny.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT