Ankazomanga

Lalàna 2 sosona namboarin’ny depiote Todisoa


  • Zoma 15 Martsa 2024

Lalana miisa 2 no amboarina tao Ankazomanga anatin’ny

Boriborintany faha-6 eto Antananarivo. Ny iray teo amin’ny « bassin » ary ny faharoa teo amin’ny dobo manga izay mirefy 1 km ny fitambarany. Nirevo tao anaty fotaka sy rano ny mponina Ankazomanga ka faly amin’izao fotoana izao fa efa natomboka ary ho vita tsy ho ela ireo lalana ireo. Noho ny fangatahan’ireo vahoaka tamin’ny depite Todisoa Andriamampandry no nanatanterahana izany satria tena sahirana ireo olona, indrindra amin’ny fotoam-pahavaratra tahaka izao. Na tsy asan’ny depiote aza ny manao izany, dia niditra an-tsehatra ity olom-boafidy ity sy ny mpiara-miasa aminy mba hitsinjovana ireo mponina. « Misaotra ny mpiara-miasa rehetra niara-nisalahy ary misaotra ireo malala-tanana sy mpiara-miombona antoka tamin’ny fiaraha-niasa rehetra », hoy ny depiote Todisoa Andriamampandry. Tsy adinony ny nanentana ny vahoaka mba hikojakoja ny asa izay niarahana nanao. Marihina, hoy izy, fa mitohy hatrany ny asa ho any amin’ny fokontany hafa, ka nampahatsiahivany hatrany fa “tsy misy manana ny amoy fa sambatra zay mifanampy”.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT