ANKAZOBE

Fampiesonana fotsiny ilay hoe kianja manara-penitra


  • Zoma 17 Mey 2024

Anisan’ireo nampanantenain’ny filoham-pirenena fa hananganana kianja manara-penitra ny ao Ankazobe.

Fanentanana sy fampanantenana maro lafy no natao nambaboana ny fon’ny olona tany an-toerana. Nisy ny nanolo-tena tamin’ireo manampahefana tao Ankazobe fa hoe handray an-tanana manokana ny amin’ny « gazon synthétique ». Asa na hoe inona no nitranga fa ny hita aloha amin’izao volana mey 2024 izao dia tsy misy terrain synthétique izany raha ny ao Ankazobe. Ary hita miharihary be fa noho ny tsy fahampiana na ny tsy fisian’ny fikarakarana matotra dia simban’ny orana fotsiny ilay kianja. Zary efa tany lava volo mihitsy aza. Tadidinay tsara iny ary lesona noraisina hoy ny mponina any ao-toerana, izay maro no resy lahatra fa fotoannan’ny fanovana tokoa izao, ka dingana voalohany ny tsy fanekena intsony ny famandriana adrisa sy fampiesonana ataon’ity fitondrana Mapar – IRMAR ity sy ireo mpanao politika mpisolelaka miaraka aminy.Ary ny dingana faharoa sy ny fisafidianana olona tena Tia Tanindrazana, tia firaisankina mametraka ho ambony ny soa iombonana ary mananafomba fiasa tsotra, marina ara-pitantanana , mahomby amin’izay atao. Efa tonga saina ny vahoakan’Ankazobe.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT