Politique

Ankazoabo Atsimo « Opération Mara Niarisy » no nisy ?


  • Alarobia 02 Desambra 2015

Nambaran’ny mpampakateny mpisolo toerana ny raharaha Mara Niarisy avy any Ankazoabo Atsimo, ny depiote Maharamby Ndalana Espérant avy any Antanambao Manampotsy omaly tao anatin’ny fivoriana nitambarambe teny Tsimbazaza, fa

 

« Opération Mara Niarisy » no nisy tany an-toerana fa tsy « Opération Fahalemana izany ».  Nisongadina nandritra ny fanadihadiana natao tamin’ireo karazana olona samihafa voakasiky ny raharaha, araka ny tatitra novakian’ity solombavambahoaka ity ny fahasamihafan’ny tatitra nataon’izy ireo sy ny nomen’ny mpitandro ny filaminana nanao « Opération » tany an-toerana. Voalaza fa navahana tsy teo anatrehan’ny tompony ireo omby nolazaina fa halatra ary nasiana novakian’ny rahalahin’ny depiote Mara tamin’ny alalan’ny fampitahorana tamin’ny basy ny trano fonenany nakana ny basy Chevrotine sy basim-borona ary akanjo miaramila roa an’ny depiote fahiny. Tamin’ireo omby rehetra an’ny Depiote Mara Niarisy sy ny rahalahiny navoakan’ny miaramila tao am-bala dia 86 sisa hita tavela tao amin’ny “Fourrière” fa ny 100 tsy hita izay nanjavonany. Tamin’ny fifanakalozan-kevitra nataon’ireo depiote tonga teny Tsimbazaza omaly no nitsirian’ny hevitra fa mbola hamboarina ny vontoatin’ity tatitra ity vao aely any amin’ireo tompon’andraikitra tokony hiantefany.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT