Amin’ity herinandro ity ny fihainoan’ny zandarin’Ankadilanana sy Fiadanana ireo mpanao politika marobe izay voalaza fa ahiahiana ho tafiditra tamin’ny raharaha BANI. Anisan’ny heno tao anatin’ireo olona voalaza ny anaran’ny Pr Zafy Albert. Ny momba ny Pr Ranjeva kosa indray dia fantatra koa fa mbola hiverina hohainoana eny Ankadilalana hatrany izy ato ho ato, amin’ny zoma raha araka ny heno. Mbola mitohy hatrany ny fanadihadiana azy momba iny raharaha iny ihany saingy vesatra hafa indray, raha araka ny vaovao azo tamin’ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana. Hitodika eny Ankadilalana indray izany ny mason’ny mpanara-baovao amin’ity herinandro ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.